Mohamed Bacar

Avy amin'i Wikipedia

I Mohamed Bacar dia miaramila sy mpanao pôlitika kômôriana, teraka tamin' ny 5 Mey 1962 tao Barkani, ao amin' ny nosy Anjouan na Nzwani.

Voafidy ho filohan' ny nosy Nzwani izy tamin' ny 31 Marsa 2002 ary lany indray tamin' ny 2007. Tsy manaiky izany fifidianana izany ny Firaisan' i Kômôro. Avy eo izy dia nanomboka fifanolanana ara-pôlitika teo amin' ny Firaisana sy ny Fanjakan' i Nzwani izay nitarika amin' ny fidirana an-tsehatra ara-miaramila nataon' ny Tafi-Pirenena ho an' ny Fampandrosoana an' i Kômôro sy ny Vondrona Afrikanina herintaona taty aoriana mba hanonganana azy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]