Miliaridera

Avy amin'i Wikipedia
Hatramin'ny Jolay 2020, ilay miliardera Jeff Bezos no olona manankarena indrindra manerantany.

Ny miliaridera dia ny olona manana sanda afa-karatsaka (vola, trano, orinasa, petrabola, sns) arivo tapitrisa (miliara) farafakeliny, matetika dolara amerikana na euro. Arakin’ny «Forbes», izay tranom-printy iray mpamokatra lisitry ny miliaridera amin’ny dolara amerikana isan-taona, dia nisy 1 210 miliaridera tamin’ny taona 2011.[1]

Ny famerabelaran’ny Forbes tamin’ny Martsa 2011, dia nisy 1 210 miliadera izay manana sanda mitentina $4,5 triliona (tapitrisatapitrisa) dolara amerikana ny fitambarany. Mitsinjara toy izao ny isan’izy ireo: miisa 413 miliaridera any Etazonia, 332 any Azia (Nitombo avo telo eny raha oharina tamin’ny taona 2009)(115 isa tamin’ireny avy any Sina), 300 any Eoropa, ary 165 sisa ny avy amin’ny firenena hafa ankoatra ireo.[2]

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. Miller, Matthew; Kroll, Luisa (10 March 2010). "Bill Gates No Longer World's Richest Man". Forbes. Retrieved 7 June 2010.
  2. BRICs becoming billionaire factory