Malacca

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Malacca
—  Faritany  —
Melaka

Flag
Coat of arms of Malacca
Coat of arms
Motto: Bersatu Teguh
Anthem: Melaka Maju Jaya
Fisian'i Malacca
Coordinates:
Renivohi-paritany Bandaraya Melaka
Government
 - Ruling party Barisan Nasional
 - Yang di-Pertua Negeri Mohd Khalil Yaakob
 - Ketua Menteri Mohd Ali Mohd Rustam
Area
 - Total 1 650 km2 (637,1 sq mi)
Population (2007)
 - Total 770 000
 Density 466,7/km2 (1 208,7/sq mi)
Human Development Index
 - IDH (2003) 0.810 (high)
Kaodim-paositra 75xxx hatrany amin'ny 78xxx
Niomerao fiantsoana 06
Vehicle registration M
Malacca Sultanate Taonjato faha 15
Portogey 24 Aogositra 1511
Holandey 14 Janoary 1641
Anglisy 17 Marsa 1824
Zanatany Japoney 1942-1946
Website http://www.melaka.org.my

Malacca, na Melaka amin'ny fiteny malay dia faritany mizaka tena fahatelo kely indrindra any Malaizia, eo aorian'i Perlis sy Penang, any atsimon'ny tanjona Malay no misy azy. Ny faritan'i Malacca dia mizara sisin-tany amin'ny faritan'i Johor any atsimo. Ny renivohiny dia Malacca, ny tanàna aloha dia voasokajin'i UNESCO ao amin'ny Fananan'ny Tontolo hatry ny 7 Jolay 2008.

Jeografia[hanova | hanova ny fango]

Ny tanànan'ny Malacca

Ny faritan'i Melaka dia manana velarantany 1650 km2, na 0,5 isan-jaton'ny velarantan'i Malaizia. Ilay faritany dia voazara distrika telo, ny Melaka anivo (Melaka tengah) manana velarantany 314 km², ny Alor Gajah (660 km²) ary ny Jasin (676 km²). Ny toerana isian'i Melaka dia eo atsimo andrefan'ny tanjona Malay, manatrika ny Sumatra, nosy indonezianina eo ampitan-dranomasina.

Melaka dia 148 km any atsimon'i Kuala Lumpur, renivohitry ny Malaizia ; ary 245 any avaratr'i Singapaoro, ary eo anivo tsara ny detroit-n'ny Malacca. Ny renivohi-paritan'i Malacca dia tsara fisiana satria eo anelanelan'ny renivohitra Kuala Lumpur sy ny tanànan'ny Singapaoro. Tsara ny lalana sy rafitra fototra ao Malacca.

Demografia[hanova | hanova ny fango]

Ny isam-ponina ao Malacca dia misy 759 000 mponina eo ho eo tamin'ny 2007. Ao amin'ireo dimy alina sy fito hetsy ireo dia misy :

  • Malay : 57%;
  • Sinoa : 32%, ao koa ny Peranakan.
  • Karana
  • Kristang
  • Eorazianina Holandey

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Ny soratra voalohany hita momban'i Melaka dia avy amina lahatsoratra sinoa; ny Ko Kwo Yi Yu, mitantara iraka sinoa any Melaka tamin'ny 1403. Misy amin'io lahatsoratra io teny malay nosoratana tamin'ny sinôgrama, miaraka amin'ny dikany amin'ny teny sinoa.

Araka ny fomban-drazana, ny tanànan'ny Melaka dia voaforon'i Parameswara tamin'ny 1400 ; i Parameswara dia andrianan'ny tanànan'ny Palembang, tanàna any atsimon'i Sumatra tsy nanaiky ny fanjakazakan'ny fanjanaka Javaney an'ni Majapahit ar yniala tao Palembang noho izany. Nilaza fa an'i Malacca ny tanànan'ny Palembang, fa naka ny antokon'i Majapahit ny Sina.

Ny mpivarotra mozilmana dia nanana anjara tsy kely tamin'ny varotra tao Malacca. Nivadika mozilana ny mpanjakan'i Malacca (Parameswara) tamin'ny faran'ny fanjakany tamin'ny 1414 ary nitondra ny anarana Iskandar Shah.

Ny fivelaran'ny fanjakanan' Ayutthaya (1350-1767) dia fandrahonana ho an'i Malacca. Tamin'ny 1406, ilay tanàna dia nangataka fiarovana tnay Sina ilay tanàna, ary nandefa iraka maromaro izy, ny mpanjaka telo voalohany dia nandray anjara tamin'ireo iraka ireo. Amin'ny valin'izany, ny amiraly sinoa mozilmana Zheng He dia tonga imbetsaka tany Malacca tamin'ny 1405 hatramin'ny 1433, mitondra tafi-tsambo. Ny faritanànan'ny Bikit Cina dia vavolombelon'ny fahatongavan'ny sinoa. Ny fasana sinoa any Malacca dia fasana sinoa ngeza indrindra eto an-tany any ivelan'i Sina.

Lasan'ny mpanjaka faharoan' India portogey Alfonso de Albuquelque ny tanànan'ny Melaka tamin'ny 1511, i Alfonso dia avy tany Goa ary nitondra sambo 18 sy olona 1200 izy. Nanisaka ny tokotaniny tany Johor, any atsimon'ny tanjona Malay ny mpanjaka Mahmud. Ny printsipaotian'i Java, naman'i Malacca dia nanandrana nanala ny Portogey tao Malacca, ny printsipaotian'i Jepara indrindr no tena nanandrana, tamin'ny 1512-1513 ary tamin'ny 1551 hatramin'ny 1574.

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Miteny anglisy[hanova | hanova ny fango]