Mahadevi

Avy amin'i Wikipedia
Mahadevi

I Mahadevi, izay antsoina koa hoe Adi Parashakti na Adi Shakti, no andriamanibavy fara tampony ao amin' ny saktisma, sampan' ny hindoisma. Amin' ny teny sanskrita izy dia atao hoe महादेवी / Mahādevī. Araka io fivavahana io, ny andriamanitra sy ny andriamanibavy hindoa rehetra dia heverina ho fisehoan' io andriamanibavy lehibe tokana io, izay mitovy amin' ny andriamanitra Shiva sy Vishnu amin' ny maha Para Brahman (Brahman fara tampony) azy. Matetika ny mpino Sakta no miantso azy hoe Durga, ary mino koa fa manana endrika maro hafa toa an' i Tripura Sundari, Bhuvaneshvari, Kali, Parvati, Navadurga, Mahavidya, Lakshmi, Saraswati, sns izy. Hoy ny mpanoratra Helen T. Boursier: "Ao amin' ny filôzôfia hindo, dia i Lakshmi sy i Parvati dia samy heverina ho anisan' ny fisehoan' ilay andriamanibavy lehibe - Mahadevi - sy ny Shakti na ny herin' andriamanitra”.