Kristiana any Atsinanana

Avy amin'i Wikipedia
Sarintany mifanitsy indrindra amin' ny faritra ahitana ny Kristianina tatsinanana.

Ny Kristiana any Atsinanana dia Kristiana monina any amin' ny faritra Atsinanana Akaiky sy Atsinanana Afovoany. Izy ireo dia vondrom-piarahamonin' ny vitsy anisa manan-danja ao Iràka, ao Siria, ao Israely/Palestina ary ao Libanona (anisan' izany ny Marônita), ao Ejipta (anisan' izany ny Kôpta), ao Iràna na ao Torkia, ao India, ao Pakistàna ary ao Indônezia. Tsy ny mpino ôrtôdôksa tatsinanana ihany no resahina amin' izany fa misy katôlika sy prôtestanta na hafa koa. Tsy afangaro amin' ny hoe "Fiangonana tatsinanana" ny hoe "Kristianisma any Atsinanana".

Ny Kristiana any Atsinanana dia tsy mamorona vondrona ranoray. Ao amin' antokom-pinoana kristianina samihafa izy ireo: ny Fiangonana antekalkedôniana (antsoina hoe "Ôrtôdôksa atsinanana" taloha), ny Fiangonana ôrtôdôksa tandrefana, ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana, ny Fiangonana katôlika tatsinanana (izay miombona amin' ny Katôlika rômana),ireo fiagonana nipoitra avy amin' ny Fiangonan' ny Atsinanana, ary ny fiangonana prôtestanta isan-karazany indraindray.

Hatramin' ny niandohan' ny kristianisma, ny Kristiana any Atsinanana dia niharan' ny fanavakavahana teo ambany fitondram-panjakana maro, indraindray iharan' ny fandripahana. Enjehina izy ireo any amin' ny firenena sasany ankehitriny. Tamin’ ny fiandohan’ ny taonjato faha-20, tany Atsinanana Afovoany sy Atsinanana Akaiky, dia iray amin’ ny mponina efatra no Kristiana; amin' izao fotoana izao anefa dia misy 11 tapitrisa eo afovoan' ny Mozilmana 320 tapitrisa (izany hoe iray amin' ny telopolo), vitsy anisa izy ireo na aiza na aiza ary voatery mitady fiarovana amin' ny fahefam-panjakana.