Koranisma

Avy amin'i Wikipedia
Ny Kor'any

Ny koranisma na ny silamo koranita dia rian-kevitra ara-pivavahana ao amin' ny silamo, izay manao ny Kor'any ho hany loharano avy amin' ny faminaniana azo itokisana avy amin' Andriamanitra ary ahafahana mamela ny hisian' ny fisalasalana momba ny fahamarinan' ny hadita (teny lazaina fa avy amin' i Mohamady sy avy amin' ny namany, nangonina sy nosoratana taorian' ny fampitana am-bava lava, izay ahitana ny fanangonana sasany nataon' i Al Bukhari sy i Muslim izay eken' ny silamo sonita). Mino ny Koranista na ny Koranita fa mazava sy feno ny hafatr' i Allah ao amin' ny Kor'any, noho izany dia azo takarina tanteraka tsy mila ny fanampianan' ny hadita. Milaza izy ireo fa apôkrifa ny lahatsoratry ny hadita izay misy ankehitriny, satria nosoratana taonjato roa taorian' ny nahafatesan' i Mohamady; noho izany dia tsy afaka manana lenta mitovy amin' ny Kor'any izy.

Ny fomba fiasan' ny koranisma dia misy fitoviany amin' izay hita ao amin' ny fivavahana abrahamika hafa toy ny hetsika karaita ao amin' ny jodaisma sy ny sola scriptura ao amin' ny prôtestantisma.