Kengo Wa Dongo

Avy amin'i Wikipedia
Léon Kengo wa Dondo

I Léon Kengo wa Dondo (nantsoina hoe Leon Lubicz, tamin' ny fahaterahany tamin' ny 22 Mey 1935 tao Libenge, Kôngô Belza) dia mpanao pôlitika kôngôley izay niasa imbetsaka ho Kômiseram-Panjakana Voalohany sy Piraiministra tamin' ny fitondran' i Mobutu Sese Seko tany Zaira. Iray amin' ny olo-malaza natanjaka indrindra tao amin' ny fitondrana izy ary mpiaro ny fanatontoloana ara-toekarena sy ny toekarena malalaka. Izy no filohan' ny Antenimieran-doholona (Senat) tao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô nanomboka tamin' ny taona 2007 ka hatramin' ny 2019.

Misy ifandraisany amin' ny fianakavian' i Franck Mwe di Malila izay minisitra lefitry ny Teti-pivoarana ihany koa izy noho ny fanambadian' ny zanany vavy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]