Katôlisisma ao Gabôna

Avy amin'i Wikipedia

Manakaiky ny 79 %n' ny mponina ao Gabôna no kristiana ka ny 53 % amin' izany dia manaraka ny Katôlisisma ary ny sisa dia mitsinjara amin' ny Prôtestanta sy ny firehana hafa. Ny katôlisisma dia niorina tao Gabôna niaraka tamin' ny fanjanahan-tany pôrtogey tamin' ny taonjato faha-18, sady nitombo ka lasa maro anisa indrindra ao Gabôna tamin' ireo taona 1900.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Tonga tao Gabôna tamin' ny taonjato faha-16 tamin' ny alalan' ny Pôrtogey ny fivavahana kristiana. Ny frera italiana, atao amin' ny teny italiana hoe Frati Minori Cappuccini (frantsay: Frères mineurs capucins), no nametraka ny misiona kristiana tamin' ny taonjato faha-17. Nitsahatra tamin' ny taonjato faha-18, ary nandroaka ny frera italiana ny fanjakana pôrtogey tamin' ny taona 1777.

Tonga tao Gabôna tamin' ny tenantenan'ny taonjato faha-19 ny misiona vavao toy ny Missionnaires du Sacré-Coeur sy ny Congrégation du Saint-Esprit (na Spiritains) sy ny misiona prôtestanta avy any Eorôpa. Ny katôlisisma dia niorina tao Gabôna niaraka tamin' ny fanjanahan-tany pôrtogey tamin' ny taonjato faha-18, sady nitombo ka lasa maro anisa indrindra ao Gabôna tamin' ireo taona 1900. Tamin' ny fanombohan' ny fanjanahan-tany frantsay dia tonga ny misiona avy any Paris teo anelanelan' ireo taona 1890 sy 1960.