Kôrindôna

Avy amin'i Wikipedia
Kôrindôna na kôrondôma

Ny kôrindôna na kôrondôma dia karazana mineraly, endrika kristalin' ny ôksida-na viraty atao hoe alominina nivadika kristaly, manana raikipohy Al2O3 ary indraindray soratana hoe α-Al2O3 raha miaraka amin' ny singa bitika vy, titanina, krôma, manganezy, nikela, vanadiôma ary silisiôma. Mangarahara izy, saingy mety hanana loko samihafa miankina amin' ny fisian' ny loto metaly tetezamita ao amin' ny rafitra kristaliny. Ny kristaly sasany dia mety hahatratra halavana iray metatra.

Ny anarana hoe "kôrindôna" na "kôrondôma" dia avy amin' ny teny tamily hoe kurundam (robisy-safira) (miseho amin' ny teny sanskrita hoe kuruvinda). Amin' ny teny frantsay izy dia atao hoe corindon fa amin' ny teny anglisy kosa dia corundum.

Ny karazana kôrindôna voajanahary sasany dia vatosoa: ny vatomena (na robisy) ​​​​sy ny safira. Mena ny robisy noho ny fisian' ny krôma ao aminy, fa ny safira kosa dia mampiseho loko isan-karazany arakaraka ny metaly tetezamita misy ao aminy. Karazana safira tsy fahita firy, safira padparadscha, dia miloko mavokely-volomboasary.

Kristaly kôrondôma maromaro

Ny emery, izay karazana kôrindôna tsy misy vidiny amin' ny maha vatosoa azy, dia ampiasaina betsaka amin' ny indostria, indrindra ho fitaovana fanampalesan-javatra (aratasy fampalesana) sy fanaovana vatoasana, noho ny hamafiny, sy anaboarana fitaovana mahatanty fikikisana fizika na simika na biôlôjika. Io no karazana kôrondôma izay manana endrika toa voan-javatra madinika mainty, ka ny mineraliny dia mifangaro amin' ny manetita na hematita, na hersinita.

Ny kôrondôma madio, na voajanahary na voatr' olombelona, dia manana hamafy 9,0 ao amin' ny maridefin' i Mohs. Izany no mahatonga azy io ho mineraly faharoa mafy indrindra aorian' ny diamondra (izay manana hamafy 10,0). Noho ny hamafin' ny kôrondôma dia mety hikiky ny mineraly hafa rehetra izy. Matetika izy no ampiasaina amin' ny fametahana taratasy fiampalesana sy amin' ny fitaovana lehibe ampiasaina amin' ny metaly sy ny plastika ary ny hazo. Io hamafiny io dia vokatry ny toetra iônikan' ny fatoran' ny alominina.

Fanampin' ny hamafiny dia manana hakitroka 4,02 g/sm3 ny kôrondôma, izay avo tsy araka ny mahazatra amin' ny mineraly mangarahara ahitana singa atômika-na viraty sy ôksizenina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]