Izehara

Avy amin'i Wikipedia

I Izehara dia zanak' i Kehata zanak' i Levy. Ny taranany dia antsoina hoe Izeharita. Manan-drahalahy telo atao hoe Amrama sy Hebrona ary Oziela i Izehara. Izy no rain' i Kôrà sy i Nefega ary i Zikry. Dadatoan' i Aarôna sy i Miriama ary i Mosesy izy. Amin' ny teny hebreo izy dia atao hoe יִצְהָר / Yīṣhar na Yīṣhār, izay midika hoe "(ilay) mamirapiratra"). Atao hoe Jizara izy ao amin' ny Baiboly prôtestanta malagasy fa Isaara kosa ao amin' ny Baiboly katôlika malagasy.

Ny fianakavian' ny Izehararita, izay manana razambe an' i Izehara, dia nandao an' i Ejipta niaraka amin' i Mosesy ary voaisa tany an-tany efitr' i Sinay. Tsy voatonona intsony ny fianakavian' ny Izerahita ary ny fokon' ny Kôraita ihany no tavela tao amin' ilay fanisana vaovao tany amin' ny tany efitr' i Môaba, talohan' ny nidirany tao amin' ny tany Kanaana.

Tsy misy tsipiriany fanampiny momba ny fiainany ny ao amin' ny Baiboly, ary araka ny filazan' ny manam-pahaizana sasany momba ny Baiboly, ny tetiarana momba ny taranak' i Levy dia tena fedrà enti-manazava fiaviany ihany, izay taratry ny fiheveran' ny besinimaro ny fifandraisan' ny antokon' ny Levita samihafa.

Na dia indroa aza no nitanisana an' i Izehara ho anisan' ny taranak' i Kehata, ny Bokin' ny Tantara dia manohy milaza, ao amin' ny andininy vitsivitsy monja tatỳ aoriana, fa ny zanak' i Kehata (tsy voalaza teo aloha) atao hoe Aminadaba no niteraka an' i Kôrà. Anarana fokom-pianakaviana nalaza anefa ireo, fa tsy zanakalahy mivantana foana araka ny fiheverana ao amin' ny tetiarana tandrefana. Tatỳ aoriana, ao amin' ny Bokin' ny Tantara, ny hoe an' i Aminadaba nomena ho anaran' ny lehiben' ny Ozielita, fokom-pianakaviana izay nambaran' ny tetiarana ao amin' ny Baiboly fa taranak' i Oziela, rahalahin' i Izehara.