Intifada

Avy amin'i Wikipedia
I Yitzhak Rabin sy i Bill Clinton ary i Yasser Arafat nandritra ny fanaovana fifanarahana tany Oslo tamin' ny 13 Septambra 1993.

Ny intifada (arabo: انتفاضة / intifaːd'a "fikomiana") dia fikomiana amin' ny fitondrana mampahory na amin' ny fahavalo vahiny. Ny teny hoe intifada dia matetika ampiasaina hanondroana ny hetsi-panoherana mahery vaika roa nanoherana ny tafika israeliana izay tao amin' ny fari-tany voabodo sy tany amin' ny faritra sasany natokana ho an' ny Fahefana Palestiniana (Salavantanin' i Gaza sy Jôrdania Andrefana).

Zava-nitranga lehibe hatramin' ny nahazoan' i Israely fahaleovan-tenana izany. Nanomboka tamin' ny 9 Desambra 1987 sy nifarana tamin' ny taona 1993 ny intifada palestiniana voalohany izay antsoina hoe "adin' ny vato". Ny intifada palestiniana faharoa, antsoina hoe "Al-Aqsa Intifada", dia nanomboka tamin' ny 29 Septambra 2000, ny ampitson' ny fitsidihan' i Ariel Sharon tao amin' ny lapan' ireo môskea tao Jerosalema. Io teny io koa dia ampiasaina imbetsaka tao Libàna, tao Iràka, tao Alzeria, tao Tonizia (nandritra ny Revôlisiôna Toniziana tamin' ny taona 2010-2011), tao Sahara Andrefana (ireo toby tao Gdeim Izik tamin' ny taona 2010), na tao Marôka.