Initiative pour l’émergence de Madagascar

Avy amin'i Wikipedia

Ny Initiative pour l'Emergence de Madagascar na Initiative Emergence Madagascar (IEM) dia tahirin-kevitra mandrafitra ny vina ankapoben' ny fitarihana ny raharaham-pirenena sy ny fampiharana ny pôlitikam-panjakana mandritra ny fotoam-pitondran' i Andry Nirina Rajoelina.

Ny IEM dia natsangan' i Andry Rajoelina tamin' ny taona 2017 sy ny vondron' ny manampahaizana ara-toekarena sy ara-tsiasa malagasy sy vahiny, nahitana koa mpiara-miombon' antoka ara-bola, ara-pamatsiam-bola, ary olona tsara sitrapo maro isan-karazany, izay noheverina fa afaka manome vahaolana mivaingana amin' ny olana rehetra. Ity tahirin-kevitra ity dia manolorana vahaolana hanatanterahana ny mety ho famadihana ny loharanon-karena sy ny zava-misy eto Madagasikara ho fampandrosoana maharitra ny maha-olona sy ny toekarena .