Ibn Hajar al-Asqalani

Avy amin'i Wikipedia
Fasan' i Ibn Hajar al-Asqalani ao Kahira (Ejipta)

I Ibn Hajar al-ʿAsqalani (arabo: إبن حجر العسقلاني‎) na Ibn Hajar dia mpahay lalàna safiita sy teôlôjiana sonita tamin' ny taonjato faha-14 sy faha-15. Manampahaizana manokana amin' ny sehatry ny hadita izy ka notendreha ho "Amir al-Mu'minin fi al-Hadith" amin' ny siansa momba ny hadita. Ny anarany hoe al-Asqalani dia mifandray amin' ny tanànan' i Ashkelon ​​izay niaviany. Teraka tamin' ny taona 1372 izy ary maty tamin' ny 2 February 1449. Ny anarany feno dia i Al-Hafiz Shihab ud-din Abul-Fadl Ahmad ibn Ali ibn Muhammad (arabo : الحافظ شهاب الدين ابوالفضل احمد إبن علي إبن محمد).

I Ibn Ḥajar dia manam-pahaizana silamo klasika izay nanokana ny androm-piainany amin' ny fadravonana farany ny siansa momba ny hadita. Nanao asasoratra miisa 150 eo ho eo momba ny hadita, ny tantara, ny tantaram-piainana, ny famakafakana, ny tononkalo ary ny didy zary lalàna safeita izy, ary ny tena sarobidy indrindra dia ny heviteny nataony momba ny Sahih al-Bukhari, mitondra ny lohateny hoe Fath al-Bari. Izy dia fantatra amin' ny anaram-boninahitra hoe Hafiz al-Asr, Shaykh al-Islam, ary Amir al-Mu'minin fi al-Hadith ("mpitarika ny mpino amin' ny hadita").

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]