Hatina

Avy amin'i Wikipedia
Renihatina, bibikely miteraha ny hatina

Ny hatina na lagaly dia areti-koditra mifindra miteraka ferifery sy mangidihidy, vokatry ny bibikely katsentsitra bitika atao hoe renihatina (Sarcoptes scabiei), izay tsy hita raha tsy jerena amin' ny alalan' ny fanitajery. Miankina amin' ny zana-karazan' io katsentsitra io no anavahana ny hatina mpahazo ny olombelona sy ny hatina mpahazo manokana ny biby mampinono hafa. Amin' ny elakelaky ny rantsan-tanana sy ny rantsan-tongotra no anombohany, avy eo miparitaka manerana ny tena manontolo. Ireto ny anarana mety ahafantarana ny hatina koa: ankirigadra, keligadra, kia, kirigadra ary lavahaotra.