Google

Avy amin'i Wikipedia

Hanketo: Fikarohana, karohy

Ny Google inc (API : [gugœl]) dia orinasa noforonin'i Larry Page se Sergey Brin tamin'ny 27 Septambra 1998 tany amin'ny Sillicon Valley any Kalifornia.

Tamin'ny fanombohan'ny taona faha 2008, 210 lavitrisa dollar ny lanja ny Google tany amin'ny toeram-barotr'i Wall Street. Nanana server 1,8 tapitrisa hono i Google tamin'ny 2009, anefa 4 hetsy fotsiny ny isany tamin'ny 2006.

Hanao mpikaroka (moteur de recherche) manana anarana Caffeine vaovao indray Google[1]

Tamin'ny fitaona anelanelan'ny Jiona 200 sy Novambra 2004, efa miisa 8 lavitrisa mahery ny pejy hitan'ny Google. Tamin'ny 2008, efa nahita pejy 1 000 lavitrisa mahery hono i Google[2].

Votoatiny

[Ovay] Tantara

[Ovay] Fanombohan'i Google

Tamin'ny 1996, Google, BackRub tamin'izany fotoana izany, dia tetikasa siantifika iasan'i Larry Page sy Sergey Brin, mpianatra mianatra momba ny rindrankajy moteur de recherche ao amin'ny oniversiten'i Stanford. Miheritreritra rindrankajy mandinika ny fifandraisan'ny sehatra web izareo, ary io rindrankajy io mety manome valiny tsaratsara kokoa non'ny moteur de recherche mifaninana aminy., indrindra Altavista.

Voamarina tamin'ny 15 Saptambra 1997 ny nom de domaine « google.com »

Mitady vola anamboarana ny orinasany ilay mpianatra roa. Novainy anarana « Google » ilay tetikasa. I Andy Bechtolsheim, anisan'ny namorona ny Sun Microsystem dia nanome azy 100 000 $ tamin'izy nahita ny fandehanan'ny rindrankajy fikarohana google sy ny zavatra afaka ataony. Azony ihany ny 1 000 000 $ avy amin'ny fianankaviany sy ny namany, ary afaka atombohany amin'izay ny orinasa Google Inc. tamin'ny 7 Septambra 1998. Garazy ao Menlo Park ny biraony voalohany.


Tamin'ny febroary 1999, fikarohana 500 000 ny valian'i Google, ary tafakatra telo tapitrisa izy tamin'ny Aogositra. Tamin'ny volana Martsa, nifindra toerana tany Palo Alto ilay orinasa. Tapitra tamin'ny 9 Septambra 1999 ny fanandramana.

[Ovay] Mametraka ny fahombiazany i Google

Tamin'ny janoary 1999, manomboka miresaka sy manoratra momba ny zavatra afaka ataon'i Google ny gazety. Manoratra ny gazety frantsay Le Monde fa hoe ny safidy ara-teknikan'i Google dia mandaitra. Raha atsofoka izao ohatra ny teny « Bill Clinton » eo amin'ny Google, dia mamoaka ny tranonkala ny Whitehouse (Tranofotsy) izy, kanefa any amin'ny Altavista, tsy tonga dia asehony avy hatrany izany ilay valiny : Tsy maintsy misafidy impolo na mahery vao avoakany izany valiny izany. Lafitsara hafa : ataon'i Google soramatavy ny keyword anatin'ny fehezanteny ho an'ny rohy izay, kanefa i Altavista tamin'izany tonga dia manome ny rohy avy hatrany.

Tamin'ny Jiona 2000, Google ny moteur de recherche voalohany indrindra mafantatra ny fisian'ny pejin-tranonkala 500 tapitrisa. Miara-miasa amin'i Yahoo! Google ary nanomboka manao proposition-na doka mande arakaraky ny keyword. Tamin'ny faran'ny taona 2000, afaka ampiasaina ny Google toolbar.

Niandro an'i Eric Schmidt filohan'i Novell i Larry Page sy Sergey Brin tamin'ny Martsa 2001, mba hitana ny orinasa. Tamin'ny 4 Septambra 2001, manana ny brevet-ny Google momban'i PageRak. Ankehitriny, moteur de recherche voalohany eo amin'ny Internet i Google ankehitriny ; 80 isan-jaton'ny amerikanina mampiasa ny moteur Google, anefa 35 isan-jato monja ny mampiasa azy, satria alehany ilay tranonkala sinoa Baidu.

[Ovay] Tsiahy

  1. http://www.01net.com/editorial/504881/google-invite-les-internautes-a-tester-son-futur-moteur/
  2. Google a identifié mille milliards d'adresses sur la Toile (fr)
Fanoroana sy fitsipika