Gazela indiana

Avy amin'i Wikipedia
Gazela indiana

Ny gazela indiana (Gazella bennettii) fantatra any an-toerana amin' ny anarana hoe chinkara na idimi, dia karazana gazela hita any Azia Atsimo. Miaina any amin' ny faritra be ahitra sy faritra misy tany efitra any India, any Bangladesy, any Iràna (amin’ ny faritra sasany) ary any Pakistàna izy.

Ny halavan’ ny gazela indiana dia mirefy 80 ka hatramin' ny 95 sm (miaraka amin' ny rambony 10 sm), ny haavony kosa dia 50 ka hatramin' ny 65 sm. Mahatratra 39 sm ny tandrony. Milanja 14 ka hatramin'ny 25 kg ny lehibe.

Amin' ny fahavaratra dia miloko menamena izy, misy volony malama sy manjelajelatra. Amin' ny ririnina anefa dia lehibe kokoa ny volo fotsy eo amin' ny kibony sy ny tendany. Ny sisin' ny tarehiny dia volontsôkôlà antitra ary manomboka amin' ny zoron' ny masony ka hatrany amin' ny molony dia voafehin' ny tsipika fotsy.