Fiteny gongbe

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny gongbe na fiteny gona dia fitenin' ny foko ao Benîno sy Nizerià atao hoe Gona. Ao amin' ny vondrom-pianakaviam-piteny nizerô-kôngôley ny fiteny gôngbe. Mifanakaiky amin' ny fiteny fôngbe io fiteny io. Izy no fiteny be mpampiasa faharoa ao Benîno. Ao amin' ny tapany atsimon' i Benîno no ahitana mpiteny gôngbe maro indrindra. Misy vahoaka vitsy koa miteny gôngbe ao amin' ny tapany atsimo-andrefan' i Nizerià.