Fianakaviam-piteny aostrôaziatika

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiteny aostrôaziatika)
Faritra misy ny mpiteny fiteny aostrôaziatika

Ny fiteny aostrôaziatika dia fianakaviam-piteny any Azia Atsimo-Atsinanana sy ao amin' ny faritra atsinanan' i India. Ny teny hoe aostrôaziatika dia avy amin' ny teny grika izay midika hoe "Azia Atsimo". Ny fiteny aostrôaziatika dia miparitaka anaty erana misaratsaraka sady elanelanin' ny faritra itenenana fianakaviam-piteny hafa. Heverina ho fitenin' ny tompon-tany ao Azia Atsimo Atsinanana sy any amin' ny tapany atsinanan' i India ireo fiteny ireo noho izy ireo mety efa tao talohan' ny fianakaviam-piteny tai-kaday, fianakaviam-piteny aostrôneziana, fianakaviam-piteny sinô-tibetàna ary fianakaviam-piteny indô-eorôpeana izay nentin' ny mpiavy taty aoriana. Miisa 100 000 000 any ho any ny mpiteny aostrôaziatika tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21.

Ny sampan' ny fianakaviam-piteny aostrôaziatika[hanova | hanova ny fango]

Ireto avy ny sampan' ny fianakaviam-piteny aostrôaziatika: ny fiteny monda, ny fiteny kasîka, ny fiteny palaongika, ny fiteny kmoika, ny fiteny pakanika, ny fiteny vietnamita, ny fiteny katoika, ny fiteny banarika, ny fiteny kamboiana, ny fiteny pearika, ny fiteny nikôbarey, ny fiteny asly ary ny fiteny môna.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fianakaviam-piteny lehibe[hanova | hanova ny fango]

Vondrom-pianakaviam-piteny[hanova | hanova ny fango]