Fiangonana tsy hita maso

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fiangonana tsy hita maso, na Fiangonana mistika, dia foto-kevitra ara-teôlôjia kristiana momba ny Fiangonana kristiana "tsy hita maso" an' ny olom-boafidy izay tsy misy mahafantatra afa-tsy Andriamanitra irery ihany, mifanohitra amin' ny "Fiangonana hita maso" - izany hoe ny rafitra eto an-tany izay mitory ny Filazantsara sy mitantana ny sakramenta.

Ny mpino rehetra ao amin' ny Fiangonana tsy hita maso dia "voavonjy", fa ny Fiangonana hita maso dia ahitana ny olona rehetra na ny voavonjy na ny "tsy voavonjy". Araka io fomba fijery io, ny andinin-teny ao amin' ny Baiboly toy ny Matio 7:21–27 sy ny Matio 13:24–30, ary ny Matio 24:29–51 dia miresaka momba izany fanavahana izany.