Faritanin' i Azerbaijan-e-Gharbi

Avy amin'i Wikipedia
Azerbaijan-e-Gharbi

Ny Faritanin' i Azerbaijan Andrefana na Azerbaijan-e-Gharbi dia iray amin' ny faritany iraika amby telopolo ao Iràna ary iray amin' ny faritanin' i Azerbaijàna iraniana. Mandrakotra velaran-tany mirefy 39 487 km2, na 43 660 km2 raha ampidirina ao ny farihy Urmia.

Any amin' ny tapany avaratra-andrefan' ilay firenena no misy azy, mifanefi-tany amin' i Torkia, amin' i Iràka ary amin' ny Repoblika Mizakatenan' i Nakhchivan ao Azerbaijàna, ary koa amin' ny Faritanin' i Azerbaijàna Atsinanana, amin' ny Faritanin' i Zanjan ary amin' ny Faritanin' i Kurdistan. Ity faritany iraniana ity dia ao amin' ny Faritra hafa-3. Misaraka amin' i Armenia izy amin' ny alalan' ny sisintany fohin' i Torkia amin' ny Repoblikan' i Azerbaijàna.

Tamin' ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2006, io faritany io dia nisy mponina 2 831 779 ao amin' ny tokantrano 655 260. Ny fanisam-bahoaka manaraka tamin' ny 2011 dia nahhitana mponina 3 080 576 ao amin' ny tokantrano 822 152. Tamin' ny fanisam-bahoaka farany tamin' ny taona 2016 dia nitombo ho 3 265 219 ny mponina ao amin' ny tokantrano 935 956.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]