Facebook

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy

Facebook dia sampan-draharaha tambajotra ara-tsosialy noforonina ny volana Febroary 2004 izay karakarain'ny oriansa Facebook Inc. Tamin'ny volana Septambra 2012, nihoatra ny iray miliara[1] ny isan'ny mpampiasa an'i Facebook, ary mahery ny antsasak'izy ireo no manao Facebook eo amina finday[2]. Tamin'ny volana Oktobra 2012 ny tranonkala facebook izay manana ny adiresy www.facebook.com dia tranonkala faharoa voavangy indrindra eo amin'ny Aterineto aorian'i Google.

Tsy maintsy misoratra ny mpikambana vao afaka mampiasa ilay tranonkala, ary rehefa vita izany dia afaka mamorona ny takelany, mifandray amin'ny mpikambana hafa izay nampiany ho namana ary mifanakalo hafatra. Miampy amin'izany koa ny fahafahana miditr anaty vondrom-pikambana ary manasokajy ny namany anaty lisitra manokana ("namana akaiky", "mpiara-miasa"...).

Tantara[hanova | hanova ny fango]

I Mark Zuckerberg no namorona an'i Facebook tamin'izy mbola mpianatra tao amin'ny oniversiten'i Harvard tamin'ny 2004. Talohan'i Facebook izy dia nanoratara an'i Facemash izay nosokafany ny 28 Oktobra 2003.

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. "Facebook Tops Billion-User Mark". The Wall Street Journal (Dow Jones). 4, 2012. Novangiana ny 4 Okt. 2012.
  2. Facebook’s Prospects May Rest on Trove of Data novangiana ny 30 Des. 2012