Eglizy Katôlika Grika Melkita

Avy amin'i Wikipedia
Katedralin' ny Eglizy Katôlika Grika Melkita, any Damaskôsy, Siria

Ny Eglizy Katôlika Grika Melkita na Eglizy Katôlika Bizantina Melkita dia fiangonana katôlika tatsinanana izay miombona tanteraka amin' ny Fiketrahana Masina amin' ny maha anisan' ny Eglizy Katôlika maneran-tany. Ny patriarka Youssef Absi no lehibe mpitandrina azy, izay manana ny foibeny any amin' ny tanànan' i Damaskôsy ao Siria. Ny Melkita, izay Katôlika manaraka fombam-pivavahana bizantina, dia mamototra ny tantarany hatramin' ny Kristiana voalohany tany Antiôkia, tany Siria taloha ary any Torkia ankehitriny, tamin' ny taonjato voalohany taor. J.K., izay nampidiran' i Masindahy Piera na Petera ny kristianisma.

Ny Eglizy Melkita, tahaka ireo fiangonana katôlika tatsinanana hafa, dia mampiasa ny fombam-pivavahana bizantina izay ampiasaina koa ao amin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Grika any Antiôkia sy ireo fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana hafa. Ao Siria, Libanona, Jôrdania, Israely ary Palestina no tena ahitana azy. Ny Katôlika grika melkita anefa dia hita manerana an' izao tontolo izao vokatry ny fifindra-monina noho ny fanenjehana ny Kristiana. Any ivelan' ny faritra Atsinanana Akaiky, ny Eglizy Melkita dia nitombo ihany koa tamin' ny alalan' ny fifanambadiana, sy ny fiovam-pinoan' ny olona avy amin' ny foko samihafa ary koa ny transritoalisma. Amin' izao fotoana izao dia misy mpikambana manodidina ny 1,6 tapitrisa manerantany.

Na dia iraisany amin' ny an' ny Ôrtôdôksa Tatsinanana aza ny fomba litorjika ao amin' ny Eglizy Katôlika Melkita dia anisan' ny Eglizy Katôlika amin' ny fomba ôfisialy ilay fiangonana nanomboka tamin' ny nidirany indray amin' ny fiombonana amin' ny Fiketrahana Masina teo ambany fitarihan' ny patriarka Cyril VI Tanas tamin' ny taona 1724. Namorona ny Eglizy Ôrtôdôksa Grika any Antiôkia ireo izay tsy nety nanaraka izany.

Ny lohan' ilay Fiangonana dia mitondra ny anaram-boninahitra hoe "Patriarkan' i Antiôkia sy ny Atsinanana rehetra, i Aleksandria sy i Jerosaleman' ny Melkita", izay monina any Damaskôsy any Siria, ka ny tompon' izany ankehitriny i Youssef Absi (arabo: يوسف عبسي) nanomboka tamin' ny taona 2017.