Boky masin' ny silamo

Avy amin'i Wikipedia

Ny boky masin' ny silamo dia lahatsoratra inoan' ny Mozilmana fa nosoratan' i Allah tamin' ny alalan' ny mpaminany nandritra ny tantaran' ny olombelona. Mino ny fisian' ny boky nalefan' Andriamanitra ety an-tany ny Mozilmana, dia ny Tawrat (توراة‎) nambara tamin' i Mosesy (Torah), ary ny Zabūr (الزَّبُورُ‎) nambara tamin' i Davida (Salamo), ny ʾInjīl (إنجيل) nambara tamin' i Jesoa (Evanjely), ary ny al-Qurʼān (القرآن‎) nambara tamin' i Mohamady (Kor'any). Ireo bokin' ny fivavahana mônôteista ireo dia avy amin' ny boky tokana atao hoe Renin' ny Boky (soràta 3:7 sy soràta 13:39) izay tsy nambara manontolo amin' ny olona fa amin' ny ampahany ihany. Ireo boky ireo, amin' ny finoana mozilmana, dia manambara ny amboaram-pitsipika sy lalàna izay nodidian' Andriamanitra ho an' ny olombelona. Misy koa ny boky fanampiny toy ny Horonam-bokin' i Abrahama (صحف إبراهيم‎ / Ṣuḥuf ʾIbrāhīm), ny Horonam-bokin' i Mosesy ( صُحُفِ مُوسَىٰ‎ / Ṣuḥuf Mūsā), ary ny Bokin' i Joany (كتاب يحيى / Kitāb Yaḥyā). Ny Kor'any no mirakira ny fanambaràna farany.