Benyamin Netanyahu

Avy amin'i Wikipedia
Benyamin Netanyahu

I Benyamin Netanyahu dia mpitondra fanjakana israeliana. Filohan' ny Likud, antoko nasiônalista sy mpandala ny nentin-drazana, izy no praiminisitra israeliana hatramin' ny 1996 ka hatramin' ny 1999, hatramin' ny 2009 ka hatramin'ny 2021 ary nanomboka amin' ny 2022 indray. Soratana hoe בנימין נתניהו / Benyamin Netanyahu izany anarana izany amin' ny teny hebreo. Nahazo anaram-bosotra hoe "Bibi" avy amin' ny mpanohana azy.

Teraka tamin' ny 21 Ôktôbra 1949 tao Tel Aviv izy. Zanaky ny mpahay tantara nasiônalista Bension Netanyahu izy, izay diplômaty aloha, indrindra fa masoivohon' ny Fanjakan' i Israely tao amin' ny Firenena Mikambana teo anelanelan' ny taona 1984 sy 1988. Sambany izy no niditra tao amin' ny governemanta tamin' ny taona 1990, tamin' ny naha minisitra-lefitry ny Raharaham-bahiny.

Lasa praiminisitra izy tamin' ny taona 1996, taorian' ny nandreseny ny praiminisira teo alohany avy amin' ny Antokon' ny Mpiasa Israeliana, Shimon Peres. Niala tamin' ny fitondrana izy tamin' ny taona 1999, taorian' ny fandresen' i Ehud Barak, mpitarika ny Antokon' ny Mpiasa Israeliana. Tamin' ny taona 2002 izy dia nahazo toerana manan-danja indray tamin' ny nanendrena azy ho minisitry ny Raharaham-bahiny tao amin' ny governemantan' i Ariel Sharon, izay nankinina aminy ny Minisiteran' ny Fitantanam-bola tamin' ny taona nanaraka. Nandao ny governemanta izy tamin' ny taona 2005 ary niditra tao amin' ny fanoherana.

Taorian' ny fifidianana solombavambahoaka tamin' ny taona 2009 dia niverina ho lohan' ny governemanta izy, ary nitana nifandimby na niaraka andraikitra ministerialy hafa (Trano fonenana, Raharaha ara-pivavahana, Fitsarana, Fitantanam-bola, Raharaham-bahiny, Fahasalamana, Fifindrà-monina, Fiarovana, sns.). Voatendry ho praiminisitra indray izy taorian' ny fifidianana solombavambahoaka tamin' ny taona 2013 sy tamin' ny taona 2015. Ny antokony ihany koa dia nahazo ny laharana voalohany tamin' ny fifidianana efatra natao teo anelanelan' ny taona 2019 sy 2021, saingy tsy nahavita nanangana fiaraha-mitantana marin-toerana tao anatin' ny antenimiera nizarazara; nahomby tamin' ny fananganana governemanta ihany koa i Naftali Bennett ary nandimby azy tamin' ny taona 2021.

Nandritra ny fe-potoam-piasany faharoa amin' ny maha praiminisitra azy dia nomeny alalana ny fananganana tanàm-boanjo israeliana vaovao, nandany ny "lalàna Israely, firenena-fanjakana hoan' ny vahoaka jiosy" (חוֹק יְסוֹד: יִשְׂרָאֵל—מְדִינַת הַלְּאוֹם שֶׁל הָעַם הַיְּהוּדִי), nanao izay hamindrana ny foiben' ny masoivohon' i Etazonia ho ao Jerosalema, firenena maro hafa no natao toy izany koa, nanao sonia ny Fifanarahana Abrahama, ka nampihena ny firaisan-kina arabo manohana an' i Palestina, ary nanomboka dingana mankany amin' ny fenitra ara-diplômasia miaraka amin' i Marôka. Nitantana ny ady tao Gaza tamin' ny 2012 sy tamin' ny 2014 ihany koa izy.

Ny fifidianana solombavambahoaka tamin' ny taona 2022 dia nahazoana ny maro anisa tanteraka ho an' ireo antoko manohana ny fiverenany eo amin' ny fitondrana, ka izany dia namela azy ho lasa praiminisitra indray, tamin' ity indray mitoraka ity eo amin' ny fitarihana ny governemanta izay eo amin' ny elatra havanana indrindra hatramin' ny nananganana an' i Israely. Te hanova ny rafitra momba ny lalàna ilay fiaraha-mitantana vaovao ary te hanaisotra ny sasany amin' ny zon' ny Fitsarana Tampony ao Israely, ka nitarika fihetsiketsehana fanoherana faobe izany. Tamin' ny taona 2023 dia nanangana kabinetran' ady tao anatin' ny tontolon' ny fanafihan' ny Hamas, izay nahafatesana Israeliana maherin' ny arivo, izy.

Tao anatin' ny enina ambin' ny folo taona mahery nitarihany ny governemanta - anisan' izany ny roa ambin' ny folo taona nifanesy - dia i Benyamin Netanyahu no praiminisitra israeliana nitana io andraikitra io nandritra ny fotoana ela indrindra, na amin' ny fomba nifanesy na amin' ny ankapobeny. Nenjehina noho ny kolikoly sy ny hosoka ary ny fanararaotam-pitokisana izy ka tamin' ny taona 2019 dia izy no lehiben' ny governemanta israeliana voalohany voampanga amperin' asa.