Baudouin, mpanjakan' i Belzika

Avy amin'i Wikipedia
Baudouin, mpanjakan' i Belzika

I Baudouin I dia mpanjaka fahadimin' i Belzika. Teraka tamin’ ny 7 Septambra 1930 tao Lapan' i Stuyvenberg (Leaken, Bruxelles) izy ary maty tamin’ ny 31 Jolay 1993 tao Motril (Andalusia, Espaina). Amin' ny teny neerlandey izy dia atao hoe Boudewijn fa amin' ny teny alemàna kosa dia Balduin. Nanjaka nanomboka tamin' ny 17 Jolay 1951 izy ka mandra-pahafatiny. Zanaka faharoa sy lahimatoan' i Leopold III sy ny mpanjakavavy Astrid izy, ary nitondra ny anaram-boninahitra hoe Comte de Hainaut raha mbola diokan' i Brabant ny rainy, ary lasa diokan’ i Brabant izy tamin' ny fidiran' i Leopold III teo amin' ny seza fiandrianan' i Belzika. Izy no zokiny sy nanjaka talohan' ny mpanjaka Albert II ary zandrin' ny  diokavavy Lehibe Joséphine-Charlotte any Luxembourg.

Nifanandrify amin' ny fotoan' ny krizy pôlitika ny nandraisany ny seza fiandrianana ary voamariky ny zava-nitranga maro hafa ny fotoana nanjakany, ka anisan' izany ny vokatry ny fanehoana ampahibemaso ny maha katôlika azy. Ny fitondrany, izay naharitra 42 taona mahery, no faharoa lava indrindra tamin’ ny fanapahan’ ny mpanjakan’ i Belzika, taorian’ ny an’ ny mpanjaka Leopold II.