Ankaramalaza

Avy amin'i Wikipedia

Ankaramalaza dia tanàna ao amin' ny kaomininan' i Lokomby, distrikan' i Manakara, ao amin' ny faritra Vatovavy-Fitovinany, ao amin' ny faritanin' i Fianarantsoa. Lalana 8 km no manasaraka azy amin' ny tanànan' i Lokomby ao avaratra. Ao atsimo-andrefan' i Vohidravina sy ao avaratra-andrefan' i Sandrananta. Lalana mirefy 45 km fotsiny no azo aleha mankany Ankaramalaza, avy eo dia lakana no iampitana ny renirano. Sarotra noho izany ny miditra ao amin' io tanàna io. Tamin' ny taona 1975 dia ny ampahefatry ny mponina tamin' ny taona 2015 no tao, nefa taona vitsy taty aoriana dia nitombo ny isan' ny mponina ka tamin' ny taona 2014 dia nahatratra 4 000 izany. Nandroso koa ny fambolena lavanila.

Isan-taona dia misy ny fivahiniana masina ataon' ireo mpamonjy fifohazana ka mahatratra 20 000 hatramin' ny 30 000 any ho any ny mpivahiny amin' izany. Ao no misy ny tobilehiben' Ankaramalaza, izay mirafitra amin' ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]