Alliance Française ny Faradofay

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Alliance française de Fort Dauphin)
Hanketo: Fikarohana, karohy

Niorina tamin’ny taona enina ambin’ny fitopolo sy sivinjato sy arivo ny Alliance Française ny Faradofay dia fikambanana mikatsaka tombotsoa natokana ho an’ny Malagasy.Hatramin’ny iraika amby telopolo jolay dia tafiditra tao anatin’ny tamban-jotran’ny « Alliance Française » iraisam-pirenena izy.Izay miasa ho an’ny tombotsoam-bahoaka 2012.

Toerana misy azy[hanova | hanova ny fango]

Amin’izao fotoana izao dia eo Bazarikely no misy azy, izay toerana maresaka, misy toeram-pampianarana amin’ny teny frantsay, akaiky ny banky ary koa toeram-pandraisam-bahiny.Manome fampianarana ny teny frantsay amin’ireo toeram-pampianarana maromaro eto Faradofay iany koa izy

Asa iandraketany[hanova | hanova ny fango]

Mampiroborobo ny teny ary ny kolotsaina frantsay ary koa mamporisika ny fifanakalozana ara-kolotsaina eo amin’ny «  la frantsa » sy « madagasikara »izy. Manandanja tokoa ny fandraisan’anjara ny « alliance française »n’ny Faradofay amin’ny tetik’asany eo amin’ny lafiny ara kolotsaina.Izy irery no fikambanana hany manana tetik’asa hampiroboroboana ny fiara-miasa amin’ireo mpanakanto eto amin’ny faritra anôsy

Rafi-pijoroana[hanova | hanova ny fango]

Ny Alliance Française n’ny Faradofay dia fikambanana eo anivon’ny lalàna malagasy, mahaleotena ara-drafitra sy ara-bola nandritry ny taona niorenany.Ny fidiram-bolany dia azo avy amin’ny :

  • Ny sara-pisoratana anarana,
  • Ireo fanampian’ny malala-tanana eto an-toerana toy ny (Orange-Madagascar et Canal SAT Canal SAT Madagascar) locaux (Rio Tinto- QMM, Port Ehoala, Sodexo, Unitrans) sy ny any ivelany toy ny (Bouquin Volant, Adifor,Trait d'Union Madagascar)
  • Ny latsa-kembokan’ireo mpikambana.

Toy ny Alliance Française rehetra maneratany dia nahazo tombony avy amin’ny minisitry ny raharaham-bahiny izy amin’ny fanopmezana tompon’adraikitra amin’ny fitantànana.Mahazo fanampiana avy amin’ny Ambasadaoro ny frantsa eto madagasikara koa izy

Firindran’ny asa[hanova | hanova ny fango]

Ny Alliance Française Faradofay dia ao anatiny fikambanana 29ny Alliances Fançaises eto Madagasikara.Ny Alliance Française Faradofay dia tantanan’ireo mpikambana voatendry ho mpanolo-kevitra eto an-toerana.Ary manara maso amin’ny fanentanana sy manampy azy ireo avy hatrany koa ny fisiany teratany vahiny miisa 20 eo ho eo

Ny fampianarana teny frantsay sy malagasy[hanova | hanova ny fango]

Na ny vahiny na isika eto an-toerana dia samy afaka mianatra avy hatrany ny teny fampianarana frantsay na malagasy isan’ambaratongany ao amin’ny Alliance Française.Toy izany koa ireo orinasa maniry hanome fiofanana ny mpiasany.Marihina fa fanta-daza eran-tany indrindraeo anivon’ny vondrona eropeana ny rafi-piofanana sy ny talentan’ny mpiofanaa nivoaka tamin’izany.Anisan’izany ny valim-panadinana DELF/DALF izay azony mpiofana nofanin’ireo mpanabe nanana ny maha izy azy eto an-toerana

Ny tranom-boky[hanova | hanova ny fango]

Anisan’ireo trano famakiam-boky iray izay nahasarika mpikambana hatramin’ny efatra sy arivo ny Alliance Française Faradofay tamin’ny taona roa ambiny folo sy roa arivo. Miisa dimy ambiny folosy enin-jato sy efatra arivo ny karazam-boky misy ao ary natokana ho an’ny rehetra na kely na lehibe.Ireo boky ireo dia avy amin’ny fanomezan’ny fikambananaTrait-d’Union sy Bouquin Volant ary Adifor.


Fanetsiketsehana ara kolo-tsaina[hanova | hanova ny fango]

Ao anatin’ny asan’ny Alliance Française eto Faradofay ny maneho sary mihetsika vaovao matetika eny ankalamanjana.Manolotra hoan’ny rehetra ko aizy amin’ny fampisehoana an-tsehatra « teatra » sy ireo kilalao sy tantara maro isan-karazany.Avy amin’ny Alliance Française Faradofay ihany koa ny nahatanteraka ireny vanim-potoana lehibe ireny, tahaka ny herinandro ny francophonie izay nivadika mo aizy ho volana francophonie tamin’ity taona telo ambiny folo sy roa arivo ity, toy izany koa ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy ;ny fetin’ny mozika,ny herinandron’ny tsiroary Madajazzcar Ny fanatanterahana ireo fihetsiketsahana ar kolotsaina ireo dia miankina amin’ny fiaraha-miasa misy eto an-toerana toy ny (Hotely Kaleta,musée flacourt,Commune Faradofay ary ny faritra Anôsy)

Ny ampahefatr’oran’ny Alliance[hanova | hanova ny fango]

Manomboka amin’ny valo novambratelo ambiny folo sy roa arivo ho avy izao dia hanana fandaharana manokana ny Alliance Française ny Faradofay eto amin’ny Radio Anosy frekansy 91.2.Isaky ny zoma amin’ny fito ora hariva, izay hanehoana ireo hiramalaza frantsay sy ireo vaovao ara-kolotsaina maro samihafa ary kilalao mivantana ara-fonday(telefona)ho an’ny mpihaino Lafiny voalohany dia nahakasika ny « la vie en rose »noresahin’i Edith Piaf Ny lafiny faharoa dia ho hampilazainy miandalana eny ihany

Fifaninanana[hanova | hanova ny fango]

Maro isan-karazany ny fifaninanana natokana hoan’ny rehetra eto amin’ny Alliance Française ny Faradofay, toy ny« Dis-moi dix mots »isan-taona.Ny farany fifaninanana natao teo izao dia ny fanehoana an-tsary mahakasika ny foto-kevitra hoe« Jouons sur terre »

Ny sarababem-bahoaka[hanova | hanova ny fango]

Miisa arivo ny mpikambana ato amin’ny Alliance Française Faradofay, izay ahitana karazam-piaviana maro samihafa, ny roa ampahatelon’ireo dia ankizy sy tanora izay nanampaniriana hanitatra ny fahaizany teny frantsay Ny Alliance Française dia miezaka hatrany ny mampita isan’andro ny traik’efany sy fandaharan’asany amin’ny alalan’ny tapakila taratasy na amin’ny radio sy ny tranokalany ary eo amin’ny facebook ihany koa

Fanamarihana tsara ho fantatra[hanova | hanova ny fango]

Ny fandaharana vokarina rehetra dia avy ao amin’ny tahiri-kevitra misy ao amin’ny Alliance Française ny Faradofay ihany Endrika:Références

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]