Albrecht von Brandenburg

Avy amin'i Wikipedia
Albert von Brandeburg, sary nataon' i Lucas Cranach Zokiny

I Albert von Brandenburg dia arseveka sy kardinalin' ny Eglizy Katôlika Rômana, teraka tamin' ny 28 Jona 1490 tao Cölln amron' ny renirano Spree, vakin-tanàna ao Berlin ankehitriny, ary maty ny 24 Septambra 1545 tao amin' ny lapan' i Martinsburg any Mainz (frantsay: Mayence).

Amin' ny maha mpanohana ny fivarotana indolzansy azy sy amin' ny maha olo-manankaja ambony indrindra azy ao amin' ny Empira Masina, ny kardinaly Albert von Brandenburg dia iray amin' ireo mpanohitra matanjaka sy malaza indrindra an' i Martin Lotera.