Al-Shahrastani

Avy amin'i Wikipedia

I Al-Shahrastani (1086-1153) dia filôzôfa sy teôlôjiana mozilmana manam-piaviana persiana. Izy koa dia mpahay tantara momba ny fivavahana ary heresiôlôga lehibe. Ny anarany feno dia Tāj al-Dīn Abū al-Fath Muhammad ibn `Abd al-Karīm ash-Shahrastānī (arabo: تاج الدين أبو الفتح محمد بن عبد الكريم الشهرستاني) nefa fantatra koa amin' ny hoe koa Muhammad al-Shahrastānī izy. Iray amin' ny sanganasany lehibe indrindra ny Kitâb al-Milal wa al-Nihal ("Bokin' ny Fivavahana sy Sekta"), izay mahatonga ity mpanoratra azy ho mpisava lalana amin' ny fomba fiasa siantifika momba ny fandalinana ny fivavahana. I al-Shahrastani tokoa dia miezaka mamaritra ny tantaran' ny fivavahana maneran-tann' ny olombelona amin' ny fomba tsy mitanika raka izay azo atao.