Aimaka (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Aimaka dia vondrom-poko somary mpifindrafindra monina manam-piaviana iraniana sy môngôly, miteny persana. Mipetraka any amin' ny lembalemba avo any avaratra-andrefana amin' i Afganistàna (any avaratry ny tanànan' i Herat) sy any Iràna (ao Khorasan).

Mpihavana amin' ny Hazarà, na dia mozilmana sonita aza izy ireo, ary misy fifandraisany amin' ny ampahany kely kokoa amin' ny Tajiky, mipetraka any andrefan' i Hazaradjat ao amin' ny faritanin' i Ghôr (ireo foko atao hoe Taimana), amin' ny faritanin' i Farâh, amin' ny faritanin' i Herât, amin' ny faritanin' i Badghis, amin' ny faritanin' i Fâryâb, amin' ny faritanin' i Jôzjân ary amin' ny faritanin' i Sar-e Pol, izay samy ao Afganistàna, izy ireo.

Ny isan' ny Aimaka dia eo anelanelan' ny 250 000 sy 2 tapitrisa ao Afghanistàna. Nanasarotra ny fanisam-bahoaka ny fanerena mety nahazo an' izy ireo amin' ny maha foko vitsy an' isa azy ireo, toa ny Hazarà, indrindra fa tamin' ny fitondràn' ny Talibàna. Nisain' ny fanjakana ho Hazarà na Persiana àry ny Aimaka sasany.