Adnanita

Avy amin'i Wikipedia

Ny Adnanita dia fiombonam-bondrom-poko arabo ismaelita, izay mitantara ny firazanany hatrany amin' i Ismaela zanak' i Abrahama sy Hagara vadiny, amin' ny alalan' ny iray amin' ny zanakalahin' i Ismaela roa ambin' ny folo, dia i Qidār rain' i Adnan, izay avy any Hejaz. Ny mpaminany silamo Mohamady dia avy amin' ny fokom-pirenena koraisita (Quraysh) izay anisan' ny Adnanita. Atao hoe عدنانيون / 'Adnānī ny Adnanita amin' ny teny arabo. Araka ny lovantsofina arabo, ny Adnanita dia Arabo Tavaratra, fa tsy toy ny Kahtanita any amin' ny tapany atsimon' i Arabia, izay taranak' i Kahtana (Qahtan), zanaky ny mpaminanin' ny silamo Hudʿ (ity dia heverina ho i Ebera indraindray). Araka ny lovantsofina arabo sy silamo dia lasa Arabo i Ismaela ary nianatra ny teny arabo tamin' ny fifandraisana amin' ny foko Kahtanita tao Jurhum taorian' ny nahatongavany tao Meka. Nanao fifanekena tamin' i Ismaela sy i Hagara reniny ny fokom-pirenen' i Juroma. I Ismaela dia nanambady vehivavy jorhomita antsoina hoe Rala bint Mudad ibn 'Amr ibn Jurhum.