Adhémar de Monteil

Avy amin'i Wikipedia
I Adhémar de Monteil misatroka mitira, mitondra ny Lehilahy Masina ho any amin' ny Kroazada voalohany

I Adhémar de Monteil dia iray amin' ireo olo-malaza tamin' ny Kroazada voalohany ary evekan' i Puy-en-Velay (1077 -1098). Izy no solontena voafidin' ny papa Orbano II amin' ny diabe mankany amin' ny Tany Masina. Tsaroana izy amin' ny hakingany ara-tafika, nitarika miaramila sy lehilahy ho any an' ny ady izy ary niady teo anilan' izy ireo, indrindra tamin' ny ady tao Dôrilaeo sy tamin' ny fahirano an' i Antiôkia.

Voalaza fa i Adhemar no nitondra ny "Lefona Masina" tamin' ny fidirana an-keriny nataon' ny Tafiky ny Vokovoko tao Antiôkia tamin' ny 28 Jona 1098, izay nandreseny ny tafika islamika teo ambany fitarihan' ny atabey Kerbogha, ka naharo ny tanàna ho an' ny mpanao kroazada. Maty tamin' ny taona 1098 noho ny aretina izy.