9 Novambra
Avy amin'i Wikipedia
1989: nandrodanana ny rindrin'i Berlin, izay nanasaraka an'i Berlin andrefana sy Berlin atsinanana nandritra ny 28 taona. Ny andro nandrodanana io rindrin'ny henatra io no azo lazaina fa niandohan'ny fampitambarana indray an'i Alemana atsinanana sy Alemana andrefana, izay nifampizaran'ny Sovietika andaniny sy ny Amerikana, Frantsay ary Anglisy ankilany taorian'ny ady lehibe faharoa.