Eorôpa Andrefana

I Eorôpa Andrefana dia faritra mamondrona ireo firenena mikasika ny morontsiraka atlantika, izany hoe ireo firenena eo amin' ny faritra andrefana amin' i Eorôpa. Ny misy azy dia eo anelanelan' ny Ranomasimbe Atlantika sy i Eorôpa Avaratra, i Eorôpa Atsimo, i Eorôpa Afovoany.
Amin' ny lafiny ara-tantara, i Eorôpa Andrefana dia ireo firenena nanana fifandraisana diplômatika tamin' i Etazonia nandritry ny Ady Mangatsiaka, fa naitatra izy mba ho tafiditra ao ny firenena tsy momba ny anty na ny aroa toa an' i Soisa; manomboka mifafa izany sary izany tamin' ny fanitarana ny Vondrona Eorôpeanina.
Ireto avy ireo firenena isan' i Eorôpa Andrefana: i Alemaina, i Aotrisy, i Belzika, i Danemarka, i Espaina, ny Fanjakana Mitambatra, i Finlandy, i Frantsa, i Irlandy, i Islandy, i Italia, i Liktenstaina, i Loksemborga, i Nederlandy, i Norvezy, i Pôrtogaly, i Soeda, ary i Soisa.
Jereo koa[hanova | hanova ny fango]
Ireo faritra ao Eorôpa[hanova | hanova ny fango]
- Eorôpa Afovoany
- Eorôpa Afovoany sy Atsinanana
- Eorôpa Atsinanana
- Eorôpa Andrefana
- Eorôpa Avaratra
- Eorôpa Avaratra Atsinanana
- Eorôpa Avaratra Andrefana
- Eorôpa Atsimo
- Eorôpa Atsimo Atsinanana
- Eorôpa Atsimo Andrefana