Ny Antsaly

Avy amin'i Wikipedia

Ny Antsaly dia tarika maneho ny hira nentin-drazana tao amin'ny faritra afovoan'i Madagasikara.

Ny vohikalany : http://www.myspace.com/nyantsaly

Ny Antsaly dia tarika naneho ny hira nentin-drazana tao amin'ny faritra afovoan'i Madagasikara. Tsy latsa-danja koa anefa ireo tarika toy ny " Kambana mirahalahy " na koa ireo kingalahy amin'ny valiha tao Imerina sy tao amin'ny faritany Betsileo. Saingy, raha maro ny tarika mpihira tamin'ny taonjato faha 20 , ireo izay voalaza taty ahoriana fa naneho ny vakoka, no nandray kely tamin'ny bà-kira vahiny nalaza tao aorian'ny ady lehibe faharoa, ny tarika Ny Antsaly dia nikiry nampiseho ny tena naha izy azy tamin'ny bà-kirany sy ny tononkirany. Ny angola-teniny dia nolovainy tamin'ny fomba fitenin'ny Ntaolo, ireo razana. Tsy izany ihany fa ny tarika Ny Antsaly dia nanenika firenena maro nampahafantatra ny sangan'asany. Noho izany dia rariny izy raha apetraka am-piandrianana ho anisan'ny tarika Malagasy nahay indrindra. Satria koa zava-dehibe ho an'ny tanora mpanao zavakanto ankehitriny, na koa ireo izay mpankafia hira fotsiny ihany, ny mahafantatra, mandinika ary mihaino ny hirany mba hakany aingam-panahy. Ny tarika Ny Antsaly dia tena anivon'ny vakodrazana Malagasy. Ireo sangan'asany dia manana toerana avo ao amin'ny tadidy iombonan'ny Malagasy.

Manimanina, Mokatejy, Biazavola, Afindrafindrao,... Santionany amin'ireo hira sy angola novolavolain-dry RANDAFISON Rémi, RANDAFISON Benjamin Sylvestre, RAZAFINDRAKOTO Bernard ireny. Nangolain'izy ireo tamin'ny fampiarahana ny "Guitare" sy ny valiha ary tena manasongadina ny mozika Malagasy sy ny "Bà Gasy".