WikiNi

Avy amin'i Wikipedia

WikiNi dia rindrankajy malalaka wiki anankiray fehezin'ny lisansy BSD manome fomba tsotra, mahomby sy haingana ahafahana mamorona sy mitantana sehatra iray amin'ny tranonkala na amina tranonkala anatina orinasa iray. Maimaim-poana izy sady azo ovaina sy zaraina arak'io lisansy mifehy azy io ihany koa.

Tantarany[hanova | hanova ny fango]

Fisampanana iray avy tamin'ilay rindrankajy wiki WakkaWiki i WikiNi. Ny taona 2002 no nanomboka nisy izy, ary i Charles Nepote no namorona azy, miampy an'i David Delon sy Patrick Paul. Anisan'ny mampiavaka azy amin'ireo sampan'i WakkaWiki hafa, noho izy Frantsay ny mpamolavola azy, dia amin'ny fiteny frantsay ihany koa ny interface ampiasàna azy.

Zava-bitany[hanova | hanova ny fango]

Navigateur ihany dia fitaovana ampy hampiasana azy, ary tsy mifidy navigateur rahateo izy. Ireto no isan'ireo zava-dehibe afaka atao miaraka aminy :

  • famoronana, famafàna, fanovàna, fanamarihana pejy amin'ny sehatra, na firy na firy isan'ny mpifarimbona amin'ny fanovàna pejy sy isan'ny pejy.
  • fitantanana ny fahazoan-dàlana amin'ireo pejy maro samihafa (famakiana, fanovàna, fanamarihana).
  • fiangaliana ny endriky ny votoatin'ny pejy : mora ny mizatra sy mampiasa izany, na dia tsy manana fahalalàna lasa lavitra momba ny informatika aza ny mpiangaly azy.
  • fizaràna eo no ho eo ny fampahalalàna momba ny pejy vao noforonina sy vao novaina.
  • fandalinana sy fitantanana ny sehatra manontolo amin'ny alàlan'ny fitaovana tsotra : drafitry ny sehatra, lisitry ny mpikambana, lisitry ny pejy vao niova, sns.

Fametrahana azy[hanova | hanova ny fango]

Mila serveur web mahazaka PHP sy MySQL fotsiny, dia afaka apetraka ao anatin'ny 10 minitra i WikiNi. Vao vita izay dia afaka ampiasaina avy hatrany ny sehatra ary navigateur ihany no fitaovana hitantanana azy.

Rohy[hanova | hanova ny fango]