Hira 3

Avy amin'i Wikipedia

Hira 3 “Andriamanitra dia Fitiavana” ( ) 1. Manatòna an’i Jehovah, Izy anie fitiavana. Aoka ho tia azy ’sika Sy ho tia ny namana. Isan’andro àry ’sika, Tokony haneho fitia: Fomba fiaina tsara indrindra, Nampianarin’i Kristy. 2. Ireo tia an’i Jehovah, Tia ny fahamarinana, Dia tsy mialona ny hafa Na koa mifaninana. Ny fitiavana madio, Tsotra sy tsara fanahy, Ka mandefitra hatrany Mba hahasoa ny rahalahy. 3. Jehovah manampy antsika Tsy hitana lolompo, Hifandray sy hifamela Ary koa hamindra fo. Raha tena tianao Jehovah, Tiavo koa ny namanao. ’Zany foana isan’andro No ataovy tanjonao. (Jereo koa .) 1 Jaona 4:7, 8 ny Mar. 12:30, 31; 1 Kor. 12:31– 13:8; 1 Jaona 3:23