Fifidianana filoham-pirenena ao Madagasikara 2013

Avy amin'i Wikipedia
Saritany maneho ny safidim-bahoaka
Saritany maneho ny safidim-bahoaka isaky ny faritany. Manga mazava: faritra nifidy an' i Jean-Louis Robinson ; manga maizina: faritra nifidy an' i Hery Rajaonarimampianina

Ny fifidianana filoham-pirenena ao Madagasikara tamin' ny taona 2013 dia fifidianana ny filoha voalohan' ny Repoblika Fahefatra. Noho ny tsy fanekena avy amin' ny Fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny fanajanonana ny fanampiana ara-bola vokatr' izany dia nahemotra ho amin' ny 25 Ôktôbra ny fihodinana voalohany amin' ny fifidianana filoham-pirenena.[1] Hatao amin' ny 25 Ôktôbra 2013 ny fihodinana voalohany amin' ny fifidianana ary amin' ny 20 Desambra 2013 ny fihodinana faharoa. Efa niova imbetsaka ny datin' ny fihodinana voalohany: Mey 2011, Septambra 2011, Mey 2012, Nôvambra 2012, Mey 2013, Jolay 2013 ary Aogositra 2013.[2]

Fifidianana filoham-pirenena[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny naha filoha an' i Andry Rajoelina tamin' ny Marsa 2009 dia nambara izany fa hatao afaka 24 volana ny fanaovana fitsapan-kevi-bahoaka handaniana ny lalàm-panorenana vaovao.[3] Lasa filoham-pirenena nandritra ny tetezamita tokoa i Andry Rajoelina tamin' ny 18 Marsa 2009, rehefa nanao famindram-pahefana taminy ny Tafika izay nahazo izany fahefana izany avy amin' i Marc Ravalomanana. Amin' ny maha filoha avon' ny Tetezamita an-Rajoelina dia hitondra ny firenena izy hatramin' ny fifidianana ny filohan' ny Repoblika manaraka. Izy no filoham-pirenena tanora indrindra tamin' ny tantaran' i Madagasikara.[3]

Fametrahana ny kandidatiora[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny 8 Avrily hatramin' ny 28 Avrily ny daty fametrahana ny kandidatiora any amin' ny Commission Electoral Spéciale[4]. Tamin' ny 8 Avrily 2013 dia nametraka ny kandidatiorany i Hajo Andrianainarivelo sy i Jean Lahiniriko ary i Roland Ratsiraka[5].

Tamin' ny 11 Avrily dia i Pierrot Rajaonarivelo[6] sy i Jean-Louis Robinson (TIM)[7] ary i Vahombey[8] no mametraka kandidatiora.

Tamin' ny 15 sy 16 ary 19 Avrily 2013 dia i Saraha Georget Rabearisoa[9] sy i Jean-Pierre Rakoto ary i Sylvain Rabetsaroana[10] avy amin' ny PNJ-Mazava no mametraka kandidatiora.

Tamin' ny 21 sy 22 ary 23 Avrily dia nametraka ny kandidatiorany i Brigitte Rasamoelina (AMP) sy i Julien Razafimanazato (Eto Sehatry ny Daholo be), i Laza Razafiarison (Avotra ho an' ny Firenena), i Camille Vital (mahaleotena) ary i Monja Roindefo.

Tamin' ny 24 Avrily dia nametraka ny kandidatiorany i Joseph Marin Andriamampionona, izay heverina fa kandidà mahaleotena.

Tamin' ny 25 Avrily 2013 dia nametraka ny kandidatiorany i Lalao Ravalomanana[11] (TIM), i Avoko Rakotoarijaona, i Ny Rado Rafalimanana ary i Roger Kolo[12]

Tamin' ny 26 Avrily dia kandidatiora fito no tafapetraka: ny an' i Alain Tehindrazanarivelo (ENINA), ny an' i Patrick Rajaonary, ny an' i Fleury Rabarison Lezava (AREMA), ny an' i Marcel Fleury Rakotomalala, ny an' i Mickael Bréchard Dofo ary ny an' i Tabera Randriamanantsoa.

Tamin' ny 28 Avrily no nahitana fametrahana kandidatiora betsaka indrindra, izany hoe 18: William Noelson, James Francklin Rakotomahanina, Guy Ratrimoarivony, Malala Savaron, Richard Rakotofiringa Razafy, Ratsimbalson Faharo, Stephan Narison, Roseline Emma Rasolovoahangy, Fetison Rakoto Andrianirina, William Ratrema, Dolin Rasolosoa, Zefania Mbohoazy, Patrick Raharimanana, Hasina Rakotoaritsifa, Freddy Tianasoa, Andriamparany Radavidson, Ndakana Antony ary Edgard Razafindravahy.

Taorian' ny fanambaran' i Andry Rajoelina tamin' ny 15 Janoary 2013 mikasika ny tsy fametrahany kandidatiora amin' ny fifidianana hoavy[13], dia nilaza izy tamin' ny 3 Mey 2013 fa ho kandidà amin' ny fifidianana any aoriana.[14]

Kandidatiora voaray[hanova | hanova ny fango]

Namoaka ny lisitry ny kandidà mahazo milatsaka ho fidiana amin' ny fihodinana voalohany ny Commission Electorale Spéciale tamin' ny 13 Mey 2013[15][16][17]. Natao ny safidy ankitsapaka mikasika ny laharam-pisehoan' ny kandidà eo amin' ny biletà tokana ary eo amin' ny tabilao ôfisialy.

Nandiso fanantenana an' i Frantsa ny fiovan-kevitr' i Rajoelina ary ny fanekena ny kandidatioran' i Didier Ratsiraka sy ny an' i Lalao Ravalomanana. Misy koa ireo kandidà tsy manaiky izay fanapahan-kevitra izany. Ny antony dia ny tsy fahamenoan' ireo kandidà roa ireo ny fepetra mikasika ny kandidatiora, sy ny fanekena ny kandidatioran' i Rajoelina izay efa tafahoatry ny daty[18]. Tamin' ny 13 Jolay dia nambanan' ny SADC ny sazy ho azon' ny firenena malagasy raha tsy nesorina ireo kandidatiora telo ireo. Tamin' ny 17 Aogositra dia voaesotra miaraka amin' ny kandidatiora dimy hafa ireo kandidatiora ireo. 31 sisa ny kandidà afaka milatsaka hofidina[19].

Ho solon' ireo olona voaesotra ireo dia nanolotra an' i Hery Rajaonarimampianina ny kandidà Roger Kolo sy Jules-Étienne, izay manao an' i Rajaonarimampianina ho kandidà farany afaka milatsaka hofidiana.[20]

Lisitru ny mpilatsaka hofidiana[hanova | hanova ny fango]

Fampielezan-kevitra[hanova | hanova ny fango]

Vola maherin' ny 100 tapitrisa ariary isan' andro no lanin' ireo kandidà amin' ny fanaovana fampielezan-kevitra. Telo andro aorian' ny fiantombohan' ny fampielezan-kevitra dia efa hita misongadina ireo kandida izay miezaka ny ho voafidy ho filoha ary ireo kandidà izay misehoseho fotsiny. Araka ny fampahalalana avy amin' ny sasany dia tonga hatrany amin' ny 15 na 20 tapitrisa dôlara na 44 miliara ariary any ho any ny teti-bolan' ireo kandidà tena mpandany vola, izay teti-bola lehibe mihoatra ny teti-bolan' ny ministera sasany. Azo inoana mafy fa hitady ny hamerina izany vola izany ilay kandidà ho lany ho filoha rehefa tonga eo amin' ny fahefana.[21]

Amin' ny lafin' ny haino aman-jery dia eo amin' ny 70 tapitrisa ariary ny vidin' ny pack fampilezan-kevitra eo amin' ny fahitalavitra hoy Midi Madagasikara[21]. Misy koa ireo radiô sy televiziona mandefa mivantana ny dia sy ny fampielezan-kevitry ny kandidà sasany.[22]

Amin' ny lafin' ny fitaterana dia 70 tapitrisa ariary ny hofan' ny angidim-by (helikôptera). Hofaina ihany koa ny fiara karetsaka sy ny fiara fampiasa amin' ny fitateram-bahoaka, ary tonga hatrany amin' ny valo alina ariary isaky ny tapak' andro any ho any ny hofany.[23] Noho ny fanodinana ny hofan' ny taksibe sy ny vola tsy azo vokatr' izany dia mandà miasa ireo mpitatitra raha tsy voaloa mialoha ny hofan' ny fiara. Araka ny lazain' ny mpikarakara fampielezan-kevitra dia manome T-shirt sy solon-tsakafo mahatratra hatrany amin' ny telo arivo ariary isan' andro sy isaky ny olona ny mpampiely hevitra[24]. Iaraha-mahalala koa fa miaina amin' ny vola latsaky ny efatra arivo ariary isan' andro ny 60 % n' ny malagasy.[25]

Eo anoloan' izany fandaniam-bola be izany dia maro ny mpijery izay manontany ny antony tsy nampiasan' ireo kandidà ireo ny volany hanampiana ny mponina mandritry ny fahasahiranana ara-toekarena.[21]

Valin' ny fifidianana[hanova | hanova ny fango]

Fihodinana voalohany[hanova | hanova ny fango]

Ireo ny kandidà nisongadina tamin' ny fihodinana voalohany:

Fiaviana Archived Novambra 9, 2013 at the Wayback Machine

Araka ny valin-tenin' ny CENIT dia lohalaharana amin' ny fihodinana voalohany i Jean-Louis Robinson. Na dia izany aza, milaza ireo mpanohana ny "revôlisiôna" fa raha atambatambatra ny isa manontolon' ny vaton' ireo kandidà revôlisiônera (E. Razafindravahy, C. Vital, H. Rajaonarimampianina, R. Ratsiraka, H. Andrianainarivelo) dia 55 % amin' ny vaton' ny vahoaka no azony[26]. Ny kandidà Hery Rajaonarimampianina no notohanan' ny filohan' ny Tetezamita Andry Rajoelina amin' ny fomba tsy ôfisialy, ary nilaza ny filohan' ny Tetezamita fa i H. Rajaonarimampianina no ho tohanan' ny antoko TGV amin' ny fihodinana faharoa.[27]

Fihodinana faharoa[hanova | hanova ny fango]

Niaraka tamin' ny fifidianana solombavambahoaka ny fifidianana filoham-pirenena. Eran' i Madagasikara dia niorina ireo komity mpanohana ny kandidàn' ny fihodinana faharoa. Araka ny nolazain' i Andry Rajoelina dia eo amin' ny 55 % eo ho eo ny isam-bato manontolon' ireo kandidà manohana ny Tolona Laoranjy izay nanongana ny governemantan' i Marc Ravalomanana tamin' ny volana Marsa 2009.[26]

Nandritra ny famakiana ny vaton' ny fihodinana faharoa dia eo amin' ny 50 % eo ho eo ny tahan' ny fandraisana anjara. Mitarika ny kandidà Hery Rajaonarimampianina mandritry ny famakiana.

Mikasika ny fitarihan' ny kandidà isaky ny faritra :

Noho ny fatahorana ny fisiana hala-bato dia nangataka famakiana vaovao indray ny antoko AVANA sy ireo mpanohana ny filoha teo aloha ary efa 300 no isan' ireo fitarainana napetraka tamin' ny vaomieram-pifidianana.

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. "Elections présidentielles - 1er tour le 25 octobre, 2nd tour le 20 décembre". Archived from the original on 2013-10-29. Retrieved 2013-09-24.
  2. "Madagascar: Rajoelina could throw in the towel of the Malagasy presidential race". Indian Ocean Times. 5 August 2013. Retrieved 11 August 2013.
  3. 3,0 et 3,1 "Madagascar president forced out". BBC. 2009-03-17. novangiana ny 24 sept. 2013.
  4. Madagascar: ouverture officielle du dépôt des candidatures à l'élection présidentielle de juillet
  5. "Lahiniriko]] et Roland Ratsiraka, les premiers sur la ligne de départ". Archived from the original on 2013-04-11. Retrieved 2013-09-24.
  6. "Pierrot Rajaonarivelo dépose son dossier de candidature". Archived from the original on 2013-04-11. Retrieved 2013-09-24.
  7. "Le Dr Jean Louis Robinson crée la surprise". Archived from the original on 2013-09-22. Retrieved 2013-09-24.
  8. Vahombey dépose sa candidature
  9. "« Un grand nombre de candidatures est important »". Archived from the original on 2013-05-12. Retrieved 2013-09-24.
  10. Rabetsaroana officialise sa candidature
  11. Madagascar: l'ex-première dame officiellement candidate à la présidence
  12. Kolo Roger : 19e candidat à la présidentielle
  13. Madagascar: Rajoelina renonce
  14. Madagascar : Rajoelina candidat
  15. "49 dépôts de candidatures aux présidentielles". Archived from the original on 2013-05-01. Retrieved 2013-09-24.
  16. Madagascar : 49 candidats à la candidature pour la présidentielle
  17. "Une liste arrêtée à 49 candidats". Archived from the original on 2013-05-01. Retrieved 2013-09-24.
  18. 21 contre 3 : la présidentielle se polarise à Madagascar
  19. Madagascar fait un pas vers la présidentielle
  20. "Hery Rajaonarimampianina,. nouveau candidat à l'élection présidentielle Malgache". Archived from the original on 2014-10-06. Retrieved 2013-09-24.
  21. 21,0 21,1 et 21,2 Dépenses de propagande - Hélico : 25 millions d’Ar/jour, artistes : 80 millions d’Ar - See more at: http://www.midi-madagasikara.mg/la-une/depenses-de-propagande-helico-25-millions-d-ar-jour-artistes-80-millions-d-ar#sthash.BYUvnHqH.dpuf
  22. "Andro voalohan'ny fampielezan-kevitra : nampiseho ny tanjany avy hatrany ireo kandidà vaventy". Archived from the original on 2014-04-15. Retrieved 2013-09-27.
  23. [http://www.lexpressmada.com/fampielezan-kevitra-madagascar/46928-misy-manodina-ny-hofan-ny-taksibe.html FAMPIELEZAN-KEVITRA Misy manodina ny hofan'ny taksibe]
  24. Vaovao ny 25 septambra TVplus
  25. "Population vivant avec moins de 2$ par jour". Archived from the original on 2013-05-30. Retrieved 2013-09-26.
  26. 26,0 et 26,1 "Les candidats de la « révolution » orange à 55% vraiment ?". Archived from the original on 2013-11-15. Retrieved 2013-11-15.
  27. "kopian'ny arisiva". Archived from the original on 2013-11-11. Retrieved 2013-11-15.
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.