Astana

Avy amin'i Wikipedia
Astana
Velarantany 258,41 km2
Isam-ponina 1 350 228 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna Imangali Tasmagambetov
Firenena  Kazakstàna
Faritany NC
Faritra NC

Astana (amin’ny fiteny kazàka ary amin’ny fiteny rosy :  Астана) dia renivohitr’i Kazakstàna manomboka ny 10 Desambra 1997. Ny anarana «Astana» ankehitriny dia nampiasaina nanomboka ny taona 1992, talohan’izany izy dia fantatra tamin’ny anarany Tselinograd (tamin’ny 1961 hatramin’ny 1992) ary Akmolinsk (hatramin’ny taona 1961). I Nursultan Nazarbayev no nifidy ilay tanàna ho renivohitr’i Kazakstàna tamin’ny 1994, ary tena lasa renivohi-pirenena tokoa ilay firenena telo taona taoriana. Ny isam-ponin’ilay tanàna dia 1 350 228 mponina tamin’ny 2022, izany hoe tanàna faharoa lehibe indrindra ao Kazakstàna aorian’i Almaty.

Anarana[hanova | hanova ny fango]

«Astana» amin’ny teny kazàka dia midika «renivohitra». talohan’ny nanjanahan’i Rosy an’i Kazakstàna dia Akmola no anaran’ilay tanàna, izay navadika ho Akmolisk tamin’ny fanombohan’ny taonjato faha-19 mba hanana anarana rosy kokoa.

Tamin’ny 1961, navadika ho Tseninograd ny anaran’ilay tanàna, Tselinograd izay midika «tanànan’ny tany foana»). Tamin’ny fahaleovantenan’ny Kazakstàna tamin’ny 10991, dia navadika ho Akmola indray ny anaran’ilay tanàna. Ny anarana Astana izay ampiasaina ankehitriny dia nofidiana tamin’ny 1998 tamin’ny fifindran’ny renivohi-pirenena