Tranombakoka

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Donia)
Ny British Museum any Lôndôna

Ny tranombakoka na donia na mozea dia tranobe na sampan-draharaha mikarakara sy mampiseho fitambarana zavatra manan-danja ara-javakanto, ara-kolontsaina, ara-tantara, na ara-tsiansa (ny teny hoe donia dia avy amin' ny fiteny antankarana[1]). Ny tranombakoka dia manana tanjona isan-karazany, manomboka amin' ny fitehirizana sy ny fanolorana tahirin-kevitra momba ny fanangonana azy, ho an' ny mpikaroka sy ny manam-pahaizana manokana, hatramin' ny fandraisana ny besinimaro. Ny tanjona momba ny fanomezana tahirin-kevitra na zavatra azo tsapain-tanana ho an' ny mpikaroka dia tsy ara-tsiansa ihany fa natao ho an' ny besinimaro koa.

Tranombako-panjakana maro no manao fampahafantarana ny besinimaro amin' ny alalan' ny fampirantiana izay mety maharitra na vonjimaika. Ny tranombakoka lehibe indrindra dia hita any amin' ny tanàn-dehibe manerana izao tontolo izao, raha an' arivony kosa ny tranombakoka madinika any amin' ny tanàna kely sy any ambanivohitra.

Maro ny karazana tranombakoka, anisan' izany ny tranombakoky ny zavakanto, ny tranombakoka momba ny tantaran' ny voajanahary, ny tranombakoka momba ny siansa, ny tranombakoka momba ny ady, ary ny tranombakoka ho an' ny ankizy. Araka ny International Council of Museums (ICOM) dia misy tranombakoka maherin' ny 55 000 any amin' ny firenena miisa 202.

Tamin' ny voalohany, ny donia dia nanomboka tamin' ny fanangonanan-javatra nataon' ny mpanan-karena na fianankaviana na toeram-pianarana.