Hankany amin'ny vontoatiny

Zygophyllaceae

Avy amin'i Wikipedia
Larrea tridentata

Ny Zygophyllaceae dia fianakaviana zavamaniry mamony; misy karazana 235 mitsinjara amin' ny vondron-karazana 30 eo ho eo. Izy ireo dia hazo, hazobotry, na zavamaniry ahitra amin' ny faritra manana toetany antonony sy indrindra trôpikaly, matetika any amin' ny faritra maina sy alikalinina. Ny faritra misy karazana samihafa amin' ity fianakaviana ity dia ahitana an' i Afrika, i Azia Atsimo, i India, i Aostralia ary ny ampahany amin' i Etazonia.

Manome hazo mafy sy makitroka ny vondron-karazana Guaiacum. Matetika mifanohitra, matetika misy kambim-pelana am-poto-tangoza sy tsilo ny raviny.

Ao amin' ny fanasokajiana APG II (2003) dia mifamatotra mivantana amin' ny Fabidae ny Zygophyllaceae. Noho izany dia tsy maintsy ampiana ny vondron-karazana Balanites (sy ny maromaro hafa avy amin' ny fianakaviana Balanitaceae). Azo ampidirina ao amin' ny Zygophyllaceae na, raha tsy izany, asondrotra ho fianakaviana Krameriaceae ny vondron-karazana Krameria.

Manaiky karazana 285 mitsinjara amin' ny vondron-karazana 26 ny Angiosperm Phylogeny Website [3 Okt 2006]. Mametraka ity fianakaviana ity ao amin' ny filaharana Zygophyllales izy io, safidy izay nohamafisin' ny fanasokajiana APG III (2009).

Fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]

Zana-pianakaviana sy vondron-karazana

[hanova | hanova ny fango]
Larreoideae
  • Bulnesia Gay
  • Guaiacum L.
  • Larrea Cav.
  • Pintoa Gay
  • Porlieria Ruiz & Pav.
Morkillioideae
  • Morkillia Rose & J.H.Painter
  • Sericodes A.Gray
  • Viscainoa Greene
Seetzenioideae
  • Seetzenia R.Br. ex Decne.
Tribuloideae
  • Balanites Delile
  • Kallstroemia Scop.
  • Kelleronia Schinz
  • Neoluederitzia Schinz
  • Sisyndite E.Mey. ex Sond.
  • Tribulopis R.Br.
  • Tribulus L.
Zygophylloideae
  • Augea Thunb. (= Zygophyllum)
  • Fagonia L. (= Zygophyllum)
  • Melocarpum (Engl.) Beier & Thulin
  • Miltianthus Bunge
  • Roepera A.Juss.
  • Tetraena Maxim. (= Zygophyllum)
  • Zygophyllum L.
Tsy misy hametrahana azy
  • Metharme Phil. ex Engl.
  • Plectrocarpa Gillies ex Hook. & Arn.

Ny Peganum dia tao amin' ny Zygophyllaceae talohan' ny namindrana azy tany amin' ny fianakaviana Nitrariaceae izat vao noforonina.

Lisitry ny vondron-karazana

[hanova | hanova ny fango]
  • Augea Thunb. (= Zygophyllum)
  • Balanites Delile
  • Bulnesia Gay
  • Fagonia L. (= Zygophyllum)
  • Guaiacum L.
  • Kallstroemia Scop.
  • Kelleronia Schinz
  • Larrea Cav.
  • Melocarpum (Engl.) Beier & Thulin
  • Metharme Phil. ex Engl.
  • Miltianthus Bunge
  • Morkillia Rose & J.H.Painter
  • Neoluederitzia Schinz
  • Pintoa Gay
  • Plectrocarpa Gillies ex Hook. & Arn.
  • Porlieria Ruiz & Pav.
  • Roepera A.Juss.
  • Seetzenia R.Br. ex Decne.
  • Sericodes A.Gray
  • Sisyndite E.Mey. ex Sond.
  • Tetraena Maxim. (= Zygophyllum)
  • Tribulopis R.Br.
  • Tribulus L.
  • Viscainoa Greene
  • Zygophyllum L.

Vondron-karazana misy eto Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]
Bakakely na hisatsy (Tribulus terrestris)

Eto Madagasikara, ny fianakaviana Zygophyllaceae dia aseho amin' ny vondron-karazana vitsy, indrindra any amin' ny tontolo maina any atsimo sy andrefan' ny Nosy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]