Zon'ny mpamorona
Ny zon'ny mpamorona dia ny fitambaran' ireo zo sitrahan'ny mpamorona sy ny mpandova azy amin'ireo sangan'asany. Izy io dia mametra ny fitsipikanfampiasana ireo sangan'asan'ny mpamorona iray, na amin'ny asa soratra, na mozika, na haino aman-jery, na haino vaky jery, na famoronana lamaody, na famoronana horonan-tsary sns.
Tantarany
[hanova | hanova ny fango]Ny zon'ny mpamorona dia niforona tany Eorôpa, niarakaraka tamin'ny fivelaran'ny trano printy sy ny fananganana ny fanontana boky.[1] Talohan'ny taonjato faha-15, mbola tsy dia nahafantatra loatra ny momba ny fizakamanana ara-indostria sy ny zon'ny mpamorona ny olona. Ingahy Bartole (1313-1356), mpampianatra sady mpahay lalàna italiana, dia efa nametraka fa tsy azo ampiasaina ny marika ahafantarana ny asa iray na ny marika ahafantarana ny mariboninahitra miaramila raha tsy mahazo alalana. Misy ihany koa ny sary tsy azo ampiasaina raha tsy miaraka amin'ny dikany mazava tsara, ohatra hoe ny olona manana fazahoan-dalana hivarotra fanafody ihany no mahazo mametaka sarin'ny lakroa manjelatra miloko maitso eo am-baravarany. Tamin'ny taona 1709 no nanan-kery voalohany ny zon'ny mpamorona, nantsoina hoe "lalàna mahakasika ny sarivongan'ny Anne".[2]
Lalàna voalohany mahakasika azy
[hanova | hanova ny fango]Tamin'ny volana oktobra 2012, ny lalàna voahitsy momba ny fizakamananana tao Japana fa mahavoasazy ny fitrohana (frantsay: téléchargement) sy ny fandikana DVD hoan'ny tena manokana.[3]
Fetran'ny zon'ny mpamorona arakaraky ny firenena
[hanova | hanova ny fango]