Zon'ireo olombelona LGBT any Botswana
Ny zon’ireo olona LGBT any Botswana dia miresaka momba ny fanajana sy fiarovana ara-dalàna omen’ny fanjakana amin’ny olona manana fironana ara-pananahana sy na maha-izy azy tsy mitovy amin’ny mahazatra (LGBT : lahy tia lahy, vavy tia vavy, olona mitovy taovam-pananahana roa, na olona tsy mahatsapa ho lahy na vavy fotsiny). Ireo zo ireo dia mahakasika ny fiainana manokana, ny fiarovana amin’ny fanavakavahana, ny fahalalahana maneho hevitra sy fiaina, ary amin’ny tranga sasany ny fanekena ara-panjakana.
Famaritana
[hanova | hanova ny fango]Fepetra ara-dalana
[hanova | hanova ny fango]Tamin’ny 11 Jona 2019, dia namoaka didy ny fitsarana Tampony ao Botswana fa tsy heloka intsony ny fiarahana amin’olona mitovy fananahana (homosexualité), araka ny fangatahana napetraky ny olona iray tsy nitonona anarana, izay nilaza fa ny lalàna dia manakantsakana ny fifandraisana azony atao amin’ireo olona mitovy maha-izy azy aminy, satria matahotra ho voafonja izy.[1][2]
Niezaka nanohitra izany fanovana izany ny solontenan’ny fanjakana, tamin’ny fanehoana fa tsy vonona amin’izany fiovana izany ny mponina ao Bôtsoana.
Talohan’izany, dia voararan’ny fehezan-dalàna famaizana navoaka tamin’ny taona 1965 ny fifandraisana mitovy fananahana, na dia tsy nampiharina intsony aza izany lalàna izany [3]. Ny toko faha-08:01 amin'ny kaody famaizana dia milaza hoe:
Andininy faha-164. Heloka manohitra ny toetra voajanahary. Izay olona manao firaisana amin’olona iray hafa amin’ny fomba mifanohitra amin’ny toetra voajanahary ; manao firaisana amin’ny biby ; na mamela olona iray hanao firaisana aminy amin’ny fomba mifanohitra amin’ny toetra voajanahary, dia meloka noho ny heloka ary saziana amin’ny fampidirana am-ponja mandritra ny fe-potoana tsy mihoatra ny fito taona.
Ny toko faha-08:01 amin'ny kaody famaizana dia milaza hoe : Andininy faha-165. Fikasana hanao heloka manohitra ny toetra voajanahary. Izay olona miezaka manao heloka voatanisa ao amin’ny andininy faha-164 dia meloka noho ny heloka ary saziana amin’ny fampidirana am-ponja mandritra ny fe-potoana tsy mihoatra ny dimy taona.
Andininy faha-167. Fanao manala baraka eo amin’ny olona. Izay olona manao hetsika manala baraka na mampiseho fihetsika mamoafady miaraka amin’olona hafa, na manery olona hanao izany aminy, na amin’olona hafa, na amin’ny toerana ampahibemaso na amin’ny toerana miafina, dia meloka noho ny heloka.[4]
Toko faha-18:01, lalàna ao Botswana (Tatitra maneran-tany momba ny lalàna nataon’ny ILGA, Mey 2008).[5]
Fepetra iainana
[hanova | hanova ny fango]Tsy ekena ara-dalàna ny mpivady mitovy fananahana.
Tsy misy lalàna miaro amin’ny fanavakavahana mifototra amin’ny fironana ara-pananahana (orientation sexuelle) **\[filàna fanamarihana].
Ny fikambanana LGBT lehibe indrindra ao Botswana dia antsoina hoe Lesbiennes, Gays ary Bisexuels ao Botswana (LEGABIBO). Nolavin’ny fanjakana ny hanome fankatoavana ara-dalàna an’io fikambanana io, satria heveriny ho fikambanan-jiolahy, mandra-pandidian’ny fitsarana azy hanaiky izany tamin’ny taona 2016.