Zo ho salama

Ny zo ho salama dia zo amin'ny fenitra ara-pahasalamana tokony hositrahan'ny tsirairay.Io zo Io dia manana endriia ekonomika, sosialy ary ara kolontsaina.[1]
Tafiditra ao anatin'ny fifanarahana iraisam-pirenena izy io hatramin'ny taona 1940,1990 :
- Fanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' Olombelona tamin'ny 10 Desambra, 1948,
- ny fifanekena iraisam-pirenena momba n'y zo ara-toekarena, sy sosialy ary kolontsaina, n'y fifanarahana mahakasika ny zon'ireo olona manana fahasembanana.[2]
Maro ireo firenena manao azy Io ho ambony, anisan'izany i Taioana, izay nametraka fiantohana ara-pahasalamana hoan'olona rehetra mahenika n'y firenena tamin'ny taonan1995, izay nampitombo n'y fahelana velona tant amin'ny hatramin'ny 81 taona.
Famaritana
[hanova | hanova ny fango]Lalàm-panorenan'ny Fikambanana manerantany momba ny fahasalamana 1946[4]
[hanova | hanova ny fango]Ao amin'ny savaranonando ny lalàm-panorenana ny Fikambanana manerantany momba ny fahasalamana, tamin'ny 1946, dia mamaritra ny fahasalamana ho toe-pahasalamana ara-batana, ara-tsaina, ara-tsosialy fa tsy hoe tsy fisian'ny aretina na fahalemena irery ihany.[4] Io lalàm-panorenana Io dia mamaritra ny zo ho salama ho "fankafizana ny fenitra ara-pahasalamana ambony indrindra", izay isan'ireo zo fototra tokony ho sitrahan'ny tsirairay.
Fanambarana iraisam-pirenena momba n'y zon'olombelona 1948[4]
[hanova | hanova ny fango]Ny andininy faha 25 ny Fanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' Olombelona, ao amin'ny firenena mikambana, tamin'ny taona 1948, dia manambara fa "ny olona rehetra dia manan-jo hanana fari-piainana sahaza ho an'ny fahasalaman'ny tenany sy ny ankohonany, ao anatin'izany ny sakafo, ny fitafiana , ny trano ary ny fikarakarana ara-pahasalamana sy ara-tsosialy ilaina"[5]
- ↑ https://www.scout.mg/odd/sdg-03/
- ↑ https://www.lexilogos.com/declaration/malgache.htm
- ↑ https://mg.globalvoices.org/2023/05/25/164293/
- 1 2 3 https://archive.wikiwix.com/cache/index2.php?url=http%3A%2F%2Fapps.who.int%2Fgb%2Fbd%2FPDF%2Fbd47%2FEN%2Fconstitution-en.pdf%2Findex.html#federation=archive.wikiwix.com&tab=url
- ↑ https://www.un.org/fr/universal-declaration-human-rights/