Hankany amin'ny vontoatiny

Ziziphus jujuba

Avy amin'i Wikipedia
Ziziphus jujuba

Ny Ziziphus jujuba dia karazan-javamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Rhamnaceae. Hazomadinika misy tsilo avy any Sina izy io ary miely patrana any amin' ny faritr' i Mediteranea, ary hita ihany koa any Andrefana. Amin' ny teny malagasy ny anarany dia lamotifotsy, lamoty, mokonazy, voandamoty.

Hazo na hazobotry manana haavo 6 ka hatramin' ny 10 m ny mokonazy ary manana rantsana misy tsilo (misy koa anefa ny fanova tsy misy tsilo). Somary lavalava sy misy nifinifiny madinidinika ny raviny. Mivadika mavo ireo ravina ireo rehefa amin' ny fararano. Mipoitra eo akaikin' ny ravina ny voniny kely mavo. Milentika lalina ao anaty tany ny fakany.

Voan' ny mokonazy masaka nohamainina

Misy akoram-bihiny tokana mafy salavalava sy misy nofony azo hanina ny voany izay somary toy ny atody. Maitso na mavo ny hodi-boany amin' ny voalohany avy eo mena rehefa masaka. Mamy somary matsatso ny nofom-boany. Ampiasaina amin' ny fikarakarana fanafody nentim-paharazana isan-karazany ny voan' ny mokonazy, izay betsaka vitaminina A sy C.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]