Zitina araka aratra

Ny zitina araka aratra dia ny fikorianan' ny sahan' aratra manaraka ny olik' aratra izay refesina amin' ny volt. Izy io dia maneho ny angovo ilaina amin' ny famindrana fahan' aratra avy amin' ny teboka iray mankany amin' ny iray hafa.
Ny hevitry ny zitina araka aratra dia matetika mfangaro amin' ny "elanelan' angovon-toerana araka aratra" eo anelanelan' ny teboka roa amin' ny olik' aratra. Ireo hevitra roa ireo dia mitovy amin' ny fitantanana tsy miova (tsy miankina amin' ny fotoana). Na izany aza, amin' ny tranga ankapobeny, amin' ny tantana miovaova (ohatra: rianaratra miherina), dia tsy mitahiry intsony ny fikorianan' ny sehan' aratra, ka tsy mitovy intsony ny zitina araka aratra sy ny elanelan' angovon-toerana araka aratra. Amin' ity tranga ankapobeny ity, ny elanelan' angovon-toerana dia tsy misy heviny fizika sady tsy maintsy soloina amin' ny hoe zitina.
Amin' ny ankapobeny, ny fisian' ny zitina ao amin' ny olik' aratra ahitana tohitra tsy foana dia porofon' ny fisian' ny mpamokatra aratra manana zitina eo amin' ny tendrony.