Hankany amin'ny vontoatiny

Zingiberales

Avy amin'i Wikipedia
Maranta arundinacea

Ny Zingiberales dia filaharan-javamaniry ahitana zavamaniry mamony tokan-dravin-tsimoka. Ahitana karazany 2 600 mitsinjara amin' ny vondron-karazana 68 ity filaharaa ity. Filaharana tokana aman-tany ny Zingiberales na dia ahitana fahasaihafana ara-drafitr' endrika aza ny zavamaniry ao aminy, izay fantatra fa toy izany hatramin' ny ela. Matetika izy ireo dia zavamaniry ahitra lehibe manana rafi-paka misy taranja (na rizôma) sady tsy misy taho an-drivotra afa-tsy rehefa mamony.

Musa beccarii

Misy fianakaviana valo izay heverina ho azo atambatra ho vondrona roa tsy ôfisialy, izay miavaka noho ny tsy fitovyian' ny isan' ny lahimbony lonaka, ny Zingiberales. Ny vondrona atao hoe "vondrona akondro", izay misy fianakaviana efatra (Musaceae, Lowiaceae, Strelitziaceae, ary Heliconiaceae), no niseho voalohany ary nomena io anarana io noho ny ravin' ny zavamaniry ao aminy izay lehibe sady mitovy endrika amin' ny an' ny akondro. Taty aoriana dia nisy "vondrona sakamalaho" izay mônôfiletika, ahitana ny fianakaviana efatra sisa (Zingiberaceae, Costaceae, Marantaceae ary Cannaceae). Ity filaharana ity, izay misy karazana fôsily, dia heverina fa nipoitra tamin' ny tapany voalohany amin' ny Vanim-potoana Kretase teo anelanelan' ny 80 sy 120 tapitrisa taona lasa izay, izay azo inoana fa tany Aostralia, ary nisaraka haingana, ny fianakaviana araka ny fantatra ankehitriny izay dia niforona tamin' ny faran' ity vanim-potoana ity (66 tapitrisa taona).

Hita manerana ny faritra trôpikaly rehetra ny Zingiberales ary misy tsinjara toerana sasany aniriany mankany amin' ny faritra manana toetany antoniny sy sobtrôpikaly. Miantehitra amin' ny bibikely ny famindrana vovobony ao amin' izy ireo, miaraka amin' ny vorona sy biby madinika.

Lisitry ny fianakaviana

[hanova | hanova ny fango]
Ravenala madagascariensis
Canna indica

Ao amin' ny fanasokajiana klasikan' i Cronquist (1981) sy ao amin' ny fanasokajiana filôjenetika APG II (2003) ary ao amin' ny fanasokajiana filôjenetika APG III (2009) dia misy fianakaviana valo mitovy io filaharana io, dia ireto izany: