Hankany amin'ny vontoatiny

Zingiberaceae

Avy amin'i Wikipedia
Zingiber macradenium

Ny Zingiberaceae dia fianakavian-javamaniry mamony (Angiospermae), ao amin' ny filaharana Zingiberales, ahitana vondron-karazana eo amin' ny 50 eo ho eo sy karazana 1 600 fantatra, izay ahitra manana rizôma, miparitaka manerana an' i Afrika trôpikaly, sy Azia ary Amerika. Maro amin' ny karazana ao amin' io fianakaviana io no zavamaniry fanao haingo sy fanao zavamanitra ary fanao fanafody. Ny fanao haingo dia ahitana ny Alpinia, ny Curcuma alismatifolia, ny Globba, ny Hedychium, ny Kaempferia, ny Etlingera elatior, ny Renealmia, ary ny Zingiber. Ny zava-manitra dia ahitana ny Zingiber, ny Alpinia galanga, ny Aframomum melegueta, ny Zingiber mioga, ny Aframomum corrorima, ny Curcuma longa (tamotamo), ny Amomum ary ny Elettaria. Anisan' ity fianakaviana ity ny sakamalao (Zingiber officinale) sy ny tamotamo (Curcuma longa) ary ny lingoza (Aframomum angustifolium).

Ny vondron-karazana ao aminy

[hanova | hanova ny fango]

Misy vondron-karazana miisa 57 ny ao amin' ny fianakaviana Zingiberaceae, dia ireto izany:

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Fianakavian-javamaniry hafa: