Zihinofo
Fiseho

Ny zihinofo dia fihenjanan' ny hozatra izay maharary sy mandalo. Mitranga matetika amin' ny hozatra mpampilefitra ny sandry na ny tongotra ny zihinofo, izay mahazo ny 37 % amin' ny mponina materan-tany araka ny angon-drakitra misy manodidina ny taona 1990. Mitranga amin' ny fomba tsy mbola takatra tanteraka ny zihinofo sasany, ka manazava ny fetran' ny safidim-pitsaboana amin' izao fotoana izao izany.