Aller au contenu

Zezipako

Avy amin'i Wikipedia
Fanamboarana zezipako any amin' ny faritra ambanivohitra any Alemaina

Ny zezipahitra dia karazana zezika azo amin' ny alalan' ny dingana biôlôjika sy amin' ny alalan' ny fahalovana sy ny fiovan' ny fako ôrganika. Izany dingana izany dia miasa araka ny fitsipiky ny fiovana ho roka izay mitranga amin' ny tontolo voajanahary, fa amin' ny fomba haingana sy amin' ny fepetra voara-maso. Mitranga izany amin' ny toerana misy ôksizeninan' ny rivotra sy hamandoana (rano), amin' ny alalan' ny asa mitambatry ny bakteria, ny holatra, ny zavamananaina bitika sy lehibe. Izany dia fiota miteraka hafanana sy anaerôbika (mila diôksida), fa tsy toy ny metanizatiôna izay fiota anaerôbika.

Misy toetra itoviany amin' ny roka ny zezipako, indrindra fa ny fahafahany mitazona rano sy ny habetsahan' ny otrikaina mineraly sy ôrganika ao aminy. Azo ampiasaina ho fanitsiana na hozezika hampahalonaka ny tany izany.

Azo atao amin' ny fomba samihafa sy amin' ny habe samihafa ny fanamboarana zezipako . Amin' ny ambaratonga kely, dia ampifangaroina ny akora maina misy karbônina (voapotika) miaraka amin' ny fako biôlôjika hafa be hamandoana sy azôta (hoditry ny voankazo na hoditry ny vodi-zavamaniry, ohatra). Amin' ny ambaratonga lehibe kokoa dia mampiasa milina famotehana ny orinasa mba hanamora ny asan' ny bakteria sy hanafaingana ny fizotrany ary haha ara-pahasalamana ny zezipako vokarina.

Mitaky fahazoana rivotra tsara ny fampiasana fitaovana fanamboarana zezipako, mba hampiroboroboana ny asan' ny zavamananaina mpanapotika sy hisehoan' ny fahasamihafan-karazan-javamananaina tiana hisy. Ny fampiasana zezipako amin' ny voly hatao sakafo dia manaraka ny lalànan' ny fahasalamam-bahoaka, izay mamaritra ny akora ôrganika azo na tsy azo anamboarana zezipako.